Politique

Ramasy Adolphe “Aleo hivoaka ny tena hevitry ny vahoaka”


  • Alarobia 15 Septambra 2010

“Aleo handeha aloha ny adihevitra sy ny fifampidinihana dia hita eo raha tena mivoaka marina ny hevitry ny vahoaka”.

Io no nambaran’ny Loholona Arema, teo aloha, Ramasy Adolphe, izay anisan’ireo mpanao politika ao anatin’ny ESCOPOL raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny fihaonambem-pirenena izy. Aminy dia ilaina ny hevitry ny mpanao politika izay efa nihaona matetika ihany ary namoaka karazana fifanarahana vita sonia, saingy tena zava-dehibe ihany koa ny fakana ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fananganana Repoblika vaovao izay imatimatesana amin’izao fotoana. Nanamarika ihany koa izy fa misy karazany roa ny mpanao politika eto Madagasikara dia eo ireo tsy mieritreritra afa tsy ny tombontsoany manokana ka manao izay fomba rehetra hahazoany seza, na iza na iza mitondra eo ; fa eo kosa ireo tena manana finiavana politika ary tena mikaroka marina izay mahasoa ny firenena sy ny vahoaka.

Samy hita eny amin’ny fihaonambem-pirenena avokoa ireo karazana mpanao politika ireo, ary samy miaro ny tsangan-keviny. Ny hampiavaka ity fihaonambem-pirenena ity amin’ireo karazana fihaonana rehetra tany aloha kosa anefa dia maro an’isa noho ny mpanao politika ny olompirenena tsotra, na avy amina fikambanana sy fiarahamonim-pirenena isan-karazany. Na dia eo ihany aza ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fahamatorana amin’ny fikarakarana ity fihaonana eny Ivato ity dia matoky Ramasy Adolphe fa hahafahana maka ny hevitry ny vahoaka ny fihaonambem-pirenena ary dingana iray lehibe amin’ny famahana ny krizy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT