Politique

Ralitera Andrianandraina Afaka tanteraka amin’izay !


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Sazy herintaona an-tranomaizina no didy navoakan’ny fitsarana omaly mahakasika an-dRalitera Andrianandraina.

 Noho izy efa nandany 27 volana tany an-tranomaizina teny Tsiafahy anefa dia afaka avy hatrany izy omaly. Faly ny havana sy ny sakaiza ary nisy mihitsy ny latsaka ranomaso raha vao nandre ny didim-pitsarana. Momba an-dRazafindrakoto Jean de Dieu, Rakotoarimanga Andrianarimanana, Fanomeza Razanadimby ary Raharinjatovo Georges Martin, izay mpiara-miasa taminy nisahana ny fiarovana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy kosa dia afaka madiodio izy ireo rehefa tsy ampy ny porofo nitazonana azy. Raha tsiahivina dia herisetra sy fiokoana izay mifanandrify tamin’ny famonoana ilay ramatoa mpivarotra boky tetsy Ambohijatovo no antony nanenjehana azy ireo.

Teo ihany koa ny fikambanan-jiolahy sy famatsiana ara-materialy sy ara-pitaovam-piadiana ny olon-dratsy. Ho an-dRalitera dia miampy fitazonana basy tsy nahazoana alalana izany, izay nahazoany io sazy herintaona an-tranomaizina io. Mazava izany fa tapitra hatreo ny nofy ratsy ho an’ity lehiben’ny fiarovana ny HCC teo aloha ity. Raha tsy tapitra dia vita ny sazy (mihantona) izay nianjady taminy. Raha araka ny fanazavan’ny mpiaro azy dia voaporofo izao fa lainga sy noforonina avokoa ireny fiampangana rehetra momba an-dRalitera sy ny namany ireny. Nilaza ny mpisolovava Razafimanantsoa Hanitra, fa hitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana an-tampony hitaky ny fandravana io didy io. Ralitera kosa dia nanambara ny fahavononany handray andraikitra amin’ny hamoahana ny firenena amin’izao krizy izoa, raha nivoaka ny fonja teny Antanimora, ny fiafaran’ny tolakandro. Tsy nambarany kosa ny endrik’izay fandraisana andraikitra hataony izay.

Tao an-toeram-piasany no nisamborana an-dRalitera Andrianandraina ny tolakandron’ny alatsinainy 27 aprily 2007. Dimy lahy izy ireo no nataon’ny FIS (Force d’intervention spéciale) indray mibata tamin-kery tao Ambohidahy. Nentina avy hatrany teny amin’ny CNME (Commission Nationale Mixte d'Enquête) Ambohibao taorian’izay ary notazomina teny nandritra ny folo andro nanaovana famotorana izay vao natolotra ny fitsarana. Teo anelanelan’izay, nisesisesy ny fisavana ny tranony sy toeram-piasany.

Taorian’izay dia nalefa tany Tsiafahy Ralitera, niaraka tamina voampanga iray hafa. Notazonina tao amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny telo tamin’ireo dimy niara-nosamborina taminy. Ny zoma 21 aogositra 2009 no niakatra fitsarana voalohany ny raharaha Ralitera nanaovana fanadihadiana lalina, dia iny omaly 11 aogositra iny vao voatsara sy namoahana didy avokoa ireo dosie nanenjehana azy. Horakoraka tao Anosy omaly, saingy horakora-pifaliana fa tsy hatezerana intsony toy ny mahazatra... Tonga maro nanotrona ny fianakavian’ireo voampanga sy ny naman’izy ireo. Nanao rodobe teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, nanotrona sady nanaraka akaiky ity raharaha ity koa ny avy etsy amin’ny Magro, izay mitaky ny hamoahana ny gadra politika rehetra hisian’ny fitoniana eto.

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT