Amin’ny ankapobeny dia vola hampandehanan-draharaha amin’ny andavanandro sy hanatanterahana asa maika miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ihany no eo am-pelatanan’ny FAT amin’izao fotoana.
Azo avy amin’ny fampidiran-ketra moa izy io, ka tafiditra ao anatin’izany ny hetra aloan’ireo orinasa goavana mitrandraka na mbola hitrandraka ny harena ankibon’ny tany eto amintsika, tahaka ny QMM ny Sherrit sy ny Wisco. Ho an-dRalison Roger, mpikambana ao amin’ny CST sady mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, dia ilaina ny fiverenan’ny famatsiam-bola avy any ivelany mba hahafahan’ny fitondrana miasa araka ny tokony ho izy ka afaka manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fandaharanasany. Voafetra ihany mantsy ny zavatra azo atao amin’izao fotoana noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Izay indrindra no nidiranay ato amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, mba handresen-dahatra ny sehara iraisam-pirenena fa efa hita taratra amin’ny rafitra misy amin’izao fotoana ny fiaraha-mitantana takiana amin’ny tetezamita, araka ny nambarany ihany.
Ny tanjona mantsy, hoy Ralison Roger dia ny hahazoana ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena izay hitarika miandalana ny fiverenan’ny famatsiam-bola. Ny mahasoa ny firenena no atao fa tsy izay mahafalifaly ny mpitondra, araka ny nambarany ihany. Mafana mihitsy ny adihevitra ao amin’ny CST, hoy izy momba ny famindra tokony harahana mba hahatongavana amin’io fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena io. Misy ny hevitra mifanipaka tanteraka, ary tsy maintsy hikarohana marimaritra iraisana mba ho an’ny tombontsoa iombonana. Mety hisy ny fanapahan-kevitra tsy hahafaly ny mpitondra tetezamita, kanefa tsy maintsy tanterahana izany rehefa izay no mahasoa ny firenena, hoy ihany Atoa Ralison Roger.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.