Politique

Ralison Roger Mila manana fomba fijery lavitra ny mpitondra


  • Talata 26 Jolay 2011

Mety hisedra olana isika ato ho ato noho ny faharatsian’ny voka-bary tamin’ny taom-pambolena farany teo.

 Raha ny tarehimarika dia nitotongana ho amin’ny antsasany be izao sisa ny voka-bary any Alaotra. Ny tsy fahampian’ny rotsak’orana no anisan’ny antony maharatsy ny vokatra, araka ny vaovao. Manoloana izany dia heverin-dRalison Roger, mpahay toekarena sady mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fa tokony hametraka politika matotra dieny izao ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra hahazoana mijery izay mety ho vahaolana sy mba ho fitsinjo lavitra. Azo heverina, ohatra, hoy izy ny fanafaram-bary. Mila fantarina koa ny tahirim-bary ananantsika, amin’izay ho mora ny fitantanana azy sy hamantarana izay filana. Ankoatra izay dia nambaran-dRalison Roger fa tsy misy afa-tsy ny fanaraha-maso ny faktiora ihany no fomba hialana amin’ny risoriso, hamantarana ihany koa izay mpivarotra ara-dalàna na tsia. Tsy nitsitsy fitenenana moa ny tenany raha nilaza fa mila olona manana fijery lavitra sy manana traikefa ny fitantanana toekarena eto amintsika fa tsy ho lany andro hamono afo eto fotsiny.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT