Politique

Ralison Roger Kandida ho filoham-pirenena


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Latsaka an-katerena ny firenena. Mila fahaizana araka ny fanarenana azy toy ny fananana mpitarika mahay mijery sy mihaino ny olam-bahoaka eny ifotony, toraka izany koa ny fananana traikefa manokana amin’ny fahaizana mijery izay lakile hahafahana mampandroso ny firenena.

Ho an’ny antoko Parti Républicain de Madagascar (PRM) dia mendrika izany Ralison Roger, filohan’ny antoko, noho ny traikefa ananany, toy ny fananany fahaizana manokana momba ny fitantanana izay norantoviny tany Etazonia, ny maha mpampianatra teny amin’ny anjerimanontolo, ny fananany traikefa manokana tamin’ny fitantanana ny rano sy ny toekarena…

Tsy nihambahamba noho izany ny PRM nanambara ampahibemaso omaly fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hotanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena ity antoko ity, ary Ralison Roger no ho kandidany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hisantatra ny Repoblika fahefatra satria mahafeno ny fepetra rehetra ilainy. Nilaza moa Ralison Roger fa dia tsy tsara loatra ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany fa ny fiaraha-miombon’antoka no tsara hatao. Aminy anefa dia mety ny fitadiavana lalam-bola hafa fa tsy voatery hidi-trosa foana vao hahavita zavatra.

 

Pati

 

 

sary : Ralison Roger


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT