Tsy vitan’ny fifanenjehana sy ny fifanomezan-tsiny eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra intsony ny raharaham-pirenena fa tokony hisy ny dingana hatao.
Isan’ny mahatsapa izany ny Antoko PRM ka maneho fa tsy mety intsony raha mbola izao no zava-misy eto amin’ny firenena. Tsaratsara amin’ny Malagasy ny mamolavola fehin-kevitra toy ny famahana olana olana tamin’ny 1991, raha ny fanehoan-kevitr’i Ralison Roger, mpahay toekarena sady ny Filohan’ny PRM omaly. Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifanarahana politika ka azo atao ny miroso amin’ny fiaraha-mitantana ka mijanona amin’ny toerany ny filoham-pirenena ary ny praminisitra no hanana ny fahefana feno. Aorian’izay dia azo atao tsara ny manatsara na manova ireo rafitra toy ny lalàm-panorenena, ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CENI), ny antenimiera,…Mahakasika ny tsenan’ny COMESA dia ambaran’ity mpahay toe-karena ity fa lasa fanarian’ny olona entana fotsiny isika. Tsy misy afatsy 3% amin’ny varotra ivelany no mba fanondranana ataon’i Madagasikara eo anivon’ny COMESA kanefa isika isan’ny mpanafatra entana betsaka. Mila hampiroboroboana ny indostria mba hanomezana vahana ireo mpandraharaha ka hampitomboana ny fanondranana entana makany ivelany raha te hahazo vokatra isika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.