Tsy levon’ny vavonin’ireo mpomba ny filoha Marc Ravalomanana mandraka ankehitriny ny fanambarana nataon’ny ambasadaoro frantsay vaovao, François Goldblatt, ny andro nanolorany ny taratasy fanendrena azy hiasa eto, nilaza fa tsy mbola tokony hiverina eto Madagasikara alohan’ny fifidianana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
“Raha hiverina eto i Chataigner 2 dia ampodio rahampitso. Raha tsy ianareo Frantsay no nanao iny fanambarana iny dia sazio ny masoivohonareo”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, tamin’ny teny hentitra, tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Manana ny fiandrianam-pireneny ny Malagasy ka anjarany ny misafidy izay heveriny fa mety aminy, hoy ihany izy nanamafy. Nohamafisiny ihany koa fa tsy manana kandida afa-tsy ny filoha Marc Ravalomanana ny ankolafy.
Fanonganam-panjakana
Voaresaka koa ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba, renivohitr’i Etiopia ny alahady sy omaly alatsinainy. Efa tamin’ny taona 2009 no nilaza mazava na ny SADC na ny Vondrona Afrikanina, teo koa ny Eoropeanina, ny Amerikanina ary ny Firenena Mikambana fa fanonganam-panjakana no nisy teto. Ny volana septambra 2011, izany hoe telo taona taorian’ny fanonganam-panjakana dia nanolotra vahaolana ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny sori-dalana izany. Neken’ny ankamaroan’ireo mpiantsehatra politika io sori-dalana io ary dia navadika ho lalàna mitondra ny tetezamita teny anivon’ireo Parlemanta.
Nanamafy ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, raha ny tatitra nataon-dRalaiseheno Guy Maxime tetsy amin’ny Magro Behoririka fa tsy misy afa-tsy ny fampiharana tanteraka io sori-dalana io no vahaolana. Tsy hiala amin’io fehin-kevitra io ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy. Nambarany koa fa ny Fifanarahan’i Cotonou dia mandrara ny mpanongam-panjakana tsy handray anajara amina fifidianana. Nohamafisin’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa na inona na inona resahana dia tsy maintsy mody eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Rehefa tonga eto izy ka tafavoaka avokoa ireo gadra politika ary mivoha ireo haino aman-jery nakatona noho ny resaka politika vao hisy ny fifidianana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.