Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Ben’ny tanŕna tsy voafolaky ny FAT


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Tsy lanin’ny vavonin’ny mpitondra fanjakana amin’izao ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato distrika Atsimondrano izay anisan’ny tompon-kevitra amin’ny famoriana eto an-drenivohitra ireo Ben’ny tanàna manerana ny nosy. Nahavita nitety faritra maro mba hanentana ireo Ben’ny tanàna namany momba ny foto-kevitra ijoroana mihitsy moa izy. Noraisin’ny FAT ho fitarihana fikomiana izany ary efa nisy mihitsy ny fikasana hisambotra azy raha ny nambarany tamin’ny lahateny nataony nandritra ny fanokafana ny fivoriana omaly. «Hatramin’ny alarobia tamin’ny herinandro lasa no saika hosamborina aho saingy fantatro ny ijoroako», hoy izy.

Nohazavainy fa rariny raha manana ny teniny ireo olomboafidy ifotony manoloana ny raharaha mahakasika azy. Ny volavolan-dalàmpanorenana hatolotra amin’ny 17 novambra izao rahateo, hoy izy no mametraka ao amin’ny andininy faha-10 fa malalaka amin’ny fanehoan-keviny sy ny fidirany anaty fikambanana ny tsirairay ary tsy azo sakantsakanana izany. «Tokony hampiharina ireny fa tsy soratana fotsiny”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime nanamafy ny teniny. Nitondrany fanazavana tamin’ireo Ben’ny tanàna tonga nivory koa fa tsy misy ambadika politika mihitsy ity raharaha ity ary ankoatra izay dia mbola mijanona ho filohan’ny AMRA (Fikambanan’ny Ben’ny tanàna Faritra Analamanga) ny tenany fa tsy niongana akory. Namaranany ny teniny ny filazany amin’ny fomba hentitra fa vonona izy hijoro hatrany na misy inona na misy inona.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT