Nampiantso fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemantan’ny tetezamita ny FAT, hirosoana amin’ny fifidianana Kaominaly sy eny anivon’ny Faritra. Manana ny heviny mikasika izany ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM, Rakotovazaha Olivier.
Tia Tanindrazana (T.T) : Fantatra izany izao fa dia hiroso amin’ny fifidianana kaominaly sy eny anivon’ny faritra ny FAT. Ahoana ny fahitanao izay ?
Rakotovazaha Olivier (R.O) : Tsy mbola mandeha izany fifidianana izany raha tsy milamina ny fandehan-javatra eto. Ny adihevitra momba ny CENI mbola mandeha, eo koa ny momba ny lisi-pifidianana izay tsy mbola mazava tsara.
T.T : Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia misisika ny FAT hiroso amin’ny fifidianana ?
R.O :
T.T : Manoloana ireny fanambaran’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina ireny, inona izany izao ny dingana manaraka ?
R.O : Miandry ny fiverenan’ny prezida Marc Ravalomanana isika satria izay no takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mandra-pahatonga izay anefa dia tsy mitsahatra mitady vahaolana ary dia miandry izay dinika eo amin’ny samy Malagasy hotarihin’ny CNOSC sy ny FFKM.
T.T : Raha ny zavatra hita dia samy mifandrirotra na ny FAT na ny mpanohitra azy. Mandra-pahoviana izay fifandroritana izay ?
R.O : Mandra-pisiana dinika ka hahitana ny marimaritra iraisana sy ny tenierana. Mandra-pandraisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fanapahan-kevitra matotra momba an’i Madagasikara. Tsy vitan’ny vava sy fanambarana fotsiny mantsy fa tsy maintsy misy fepetra fanatanterahana. Raha ny fahitako ny zava-misy ankehitriny dia mampametra-panontaniana ihany ny fahombiazan’ny asa fanelanelanana nataon’ny SADC ka dia ho hitantsika eo ny tohiny.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.