Politique

Rakotovazaha Olivier «Tsy hihemotra izahay»


  • Talata 16 Martsa 2010

Hamaramparana ny tolona ny ankolafy Madagasikara, raha ny lahateny nifandimby re tao amin’ny Magro omaly.

Herintaona ngaragidiny izay no nanehoan’ireo vahoaka ny heviny tamim-pilaminana, nanohitra ny fanonganam-panjakana, ny tsy rariny. Tsy maintsy mitsangana ny vahoaka, hoy Rakotovazaha Olivier avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. «Tsy hihemotra izahay», hoy ihany izy. Ho an’ity anio ity, dia hiavaka ny hetsika satria hiainga avy eny amin’ny isam-pokontany ireo mpanao fihetsiketsehana. Mialoha ny sioka tokana dia anio no famerenana farany. “Tsy maintsy mitsangana ny vahoaka. Rehefa dila ny 16 martsa dia ho avy ny vahoaka hametraka ny tetezamita araka izay voarakitry ny satan’i Maputo sy Addis Abeba”, hoy ihany ny sekretera jeneralin’ny MFM. Manomboka amin’io alarobia io, izany hoe rahampitso, araka ny fanazavany, dia apetraka ho ota sy fady ho an’ny taranaka faramandimby ny fanonganam-panjakana, izay henatra ho an’i Madagasikara, araka ny fanazavana ihany.

Tetsy an-danin’izay, dia nohamafisin’ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo teo aloha, Mananjara Fidison na Rasomotra fa lainga ny vaovao afafy fa nahemotry ny GIC 30 andro ny fampiharana ny fanapahan-keviny mikasika indrindra ny fanasaziana ireo mpanongam-panjakana sy ireo mpanohana azy ireo. “Tsy kilalaon’ankizy ny fanapahan-kevitry ny GIC fa fanapahan-kevitra iraisam-pirenena. Tsy hihemotra na iray minitra aza izany”, araka ny fanazavan’ity olom-boafidy ity ihany. Raha ny fantatra moa dia hivory ny filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminana na ny CPS ny 17 martsa, mikasika indrindra ny toe-draharaha eto Madagasikara sy izay ho fehin-kevitra sy fanapahan-kevira horaisina.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT