Politique

Rakotovazaha Olivier “Tsy hanome hasina Fanjakana tsy ara-dalŕna isika”


  • Alakamisy 10 Jona 2010

“Tsy miova ny tanjona, dia ny hamerenana ny ara-dalŕna sy hanaraka ny soatoavina demokartika eto Madagasikara”, hoy ny sekretera jeneralin’ny MFM Rakotovazaha Olivier tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Momba ny fiaraha-miombon’antoka teo amin’i Frantsa sy Afrika dia tapaky ny roa tonta tany Nice, araka ny fanazavany, fa tsy maintsy anatin’ny mangarahara avokoa no hampiasana ny vola sy ny famatsiam-bola. “Tsy ekena ihany koa ny hanohanana Fanjakana tsy manaja ny soatoavina demokratika sy ny zon’olombelona”. Momba ny fanamarihana ny 26 jona indray dia nazava ny toromarika nomen’ity mpanao politika, mpikambana ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ity : “Tsy hanome hasina fanjakana tsy ara-dalàna isika”, hoy izy, noho izany dia “tsy hanangana ny saina ny tokantrano fa hitondra izany kosa eny an-kianja ny andron’ny 26 jona”. Momba izay lalàmpanorenana hitondrana an’i Madagasikara indray dia voalaza fa efa niainana ny atao hoe : ‘Régime parlementaire’, tamin’ny taona 1992, ny ‘semi parlementaire’ ny taona 1996, ny ‘régime présidentiel’ faritany mizaka tena sy ny ‘régime présidentiel’ faritra mizaka tena.

Tsy ny depiote no tokony hisafidy izay ho filoham-pirenena fa ny vahoaka no hifidy azy mivantana, hoy ihany Rakotovazaha Olivier. Raha hisy izay fikaonan-doha na dinika hatao mialoha ny fifidianana, hoy ihany ity mpanao politika ity dia tsy azo tsinontsinoavina ireo maro an’isa teo aloha. Raha ny fanazavany moa dia tsy misy lalana ivoahana amin’izao krizy izao raha tsy amin’ny alalan’ny satan’i Maputo sy ny tetezamita iaraha-mitantana ihany. Ankoatra izay dia fanontaniana no napetrany ny amin’izay tompon’andraikitry ny nanafoanan’ny Vondrona Eoropeanina ny vola natokana ho an’ny fampandrosoana. Hatreto izany aloha, dia niato avokoa ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana, sekoly ary hopitaly. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT