Politique

Rakotovazaha Olivier Teraka tao Ivato ny Ankolafy Rajoelina vaovao


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Tetezamita tsy misy an-dRajoelina, fiverenan’i ‘Dada’ sy ireo sesitany rehetra tavela any ivelany, fivoahan’ireo gadra, hananganana fitondrana tsara. Ireo no tanjona, hoy Rakotovazaha Olivier.

Momba ny fiaraha-midinika etsy sy eroa, indrindra fa ny vondron’ireo mpanao politika dia nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny Mfm fa ankolafy vaovao natsangana ireny. Mody narodana ny ankolafy Rajoelina kanefa dia firehana Rajoelina somary nitatra no natsangana. Na inona anefa hataon’izy ireo, tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena. Ho an-dRakotovazaha moa dia mazava ny resaka fa “efa ho rava ny FAT” satria efa manomboka miady, mifanaritaka noho ny tsy fisian’ny vola, ka sahirana amin’ny fampandehanan-draharaha. Momba ny oniversite, hoy ihany izy, dia karama iray volana monja no voaloa teo, tsy mitombina ny filazana fa tambin-karama ihany no tsy voaloa teo, fa ny karama mihitsy no efa tsy voaloan’ny FAT intsony. Amin’izao fotoana izao aza, hoy izy, na dia ny an’ireo miaramila aza dia hotapahana antsasany, 50% be izao ny tetibolan’izy ireo. Tsy manam-bola satria tsy mihodina ny toekarena. Tsy misy ny fanondranam-bokatra any ivelany, tsy misy vola vahiny miditra intsony eto, tsy misy intsony koa ny famoronana asa sy ny zavatra hafa amin’ny vola azo avy any ivelany, tapaka ihany koa ny fanampiana avy any ivelany, toy ny an’ny Vondrona Eoropeanina.

Araka ny nambarany ihany, momba ny raharahan’ny orinasa sinoa Wisco, dia tsy miroso ity orinasa ity satria i Chine dia tsy mankato ny FAT, na dia efa vita tamin’ny fitondrana Ravalomanana aza ny famoahana ny tolo-bidy. Momba ny filazana indray fa ‘extremista’ ny ao amin’ny Magro dia nahitsy ny tenin-dRakotovazaha fa olona tsy manana fahaizana amin’ny resaka fitantanana sy fitarihana izay miteny izany. Fantatra moa, araka ny fanazavan’i Olivier Rakotovazaha fa dia an-dalam-panomanana hetsika goavana ny Ankolafy 3 amin’izao fotoana izao. Tsy hihemotra ny vahoaka, hoy izy, ka tsy maintsy tafaverina ny ara-dalàna. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT