Politique

Rakotovazaha Olivier “Potika ny fanabeazana !”


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

“Ny karama sy ny tombon’oranay no tsy voaloa”, hoy Rakotovazaha Olivier omaly, momba ny raharaha Vontovorona. Noho izany, hoy izy, dia tsy hiverina hiasa izahay raha tsy tonga ao am-paosy io vola io.

Ankoatra izay dia nisy didy navoakan’ny FAT nampihena ho 600 ora ny ora fianarana raha toa ka 1000 ora izany. Tadiavina omena diplaoma baoritra ny mpianatra, hoy izy. Raha ny fahitan’ity mpitari-tolona moa dia zavatra telo goavana no tena potika ankehitriny, dia ny fotodrafitrasa, ny fanabeazana ary ny fahasalamana. Lainga, hoy izy, ny filazana fa manam-bola ny FAT, satria na ny vola natokana ho an’ny fampandehana-draharaha aza tsy misy, ireo olona nampanaovina ny lisi-pifidianana koa efa velon-taraina amin’izao fa tsy mbola nandray karama kanefa efa enim-bolana niasana, hoy ihany Rakotovazaha. Ankoatra izay dia nambarany koa fa tsy marina ny filazana fa nisy ny fihaonana teo amin-dRaharinaivo sy Manandafy Rakotonirina. Tsy mbola nisy fihaonana teo amin’ireo olona ireo, hoy izy. Momba ny fiaramanidina novidian’ny fanjakan teo aloha indray dia nanazava ny teniny fa an’ny fanjakana ireny fa tsy an’ny Tiko na koa an-dRavalomanana. Raha ny filazana indray fa manomboka mankato ny zavatra tapaka teny Ivato ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia nazava ny tenin-dRakotovazaha: “lainga ireny, ary ny Sadc tsy hankato na oviana na oviana mpanongam-panjakana”, hoy izy nanamafy. Nantitranteriny fa ny satan’i Maputo ihany no azo ekena fa vahaolana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT