Politique

Rakotovao Vyvato «Tonga ny fotoana hanaporofoana fa tia tanindrazana isika»


  • Talata 13 Aprily 2010

Mikatso ny raharaham-pirenena. Toa mihodinkodina tsy mahavaha olana ny mpanao politika raha jerena maimaika. Misavorovoro ny foloalindahy. Ho aiza ity firenena ity?

Manana ny fomba fahitany izany Rakotovao Vyvato, mpanao politika tanora sady mpamakafaka politika no mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana mitaky ny hampiharana izay efa nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba rahateo koa. Nambarany fa «tsy azo avela amin’izao ny firenena fa tsy maintsy avotana, na amin’ny asa na amin’ny atao». Miseho amin’ny endrika maro samy hafa ny tolona ho amin’izany, hoy ity sekretera jeneralin’ny Tanora Tiako i Madagasikara ity, fa rehefa mikatsaka ny fampandrosoana sy ny filaminana dia fitiavan-tanindrazana avokoa. Nambaran-dRakotovao Vyvato fa ny ankamaroan’ny mpanao politika dia tokony hahatsapa fa tsy maintsy misy ny fifandeferana sy ny fifanarahana eo amin’ny samy ankolafy politika raha tiana ny hivoahana amin’izao kizo izao, efa tena kizo io, ka atsahatra tsy misy hatak’andro ny fitiavan-tena sy ny fankahalana ny hafa. Ny politika, hoy ihany izy, dia natao hoentina hanompoana firenena fa tsy natao hiadivana ka izay tsy tonga saina amin’izany dia hotsarain’ny tantara eto.

Raha nakana ny heviny Rakotovao Vyvato amin’izay lalana hamahana ny krizy, dia nambarany fa ilaina ny fifanatonana. Ny fiverenana eo an-databatra boribory hifampiresahana no maika, hoy izy ; io no hany lalan-tokana ialana amin’izao olana ara-politika sy ara-olona misy ankehitriny eto amin’ny firenena izao. Mikasika ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba dia nambarany fa fifanarahana ara-politika entina hialana amin’ny fikatsoana izy iny. Voafaritra ao anatiny ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Raha ilaina ny fanatsarana io fifanarahana io, dia andao hodinihina miaraka izany, raha izay no hahatsara zavatra. Tonga izao ny fotoana, hoy Rakotovao Vyvato hanaporofoana fa tena tia tanindrazana isika Malagasy. Tsy maintsy misy ny fanetren-tena sy ny fihavanana. Tsy faharesena izany na ho an’iza na ho an’iza. Aoka izay ny fifanenjehana ! Atsaharo ny fihantsiana ! Asehoy ny fitiavana ! Apetraho ny tetezamita iarahana dia hiarahana manomana ny fifidianana ! Avelao ny vahoaka hifidy malalaka !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT