Politique

Rakotovao Vyvato «Miantso fandraisana andraikitra hanavotana ny tanindrazana»


  • Zoma 23 Jolay 2010


Tia Tanindrazana (T.T) : Tsy mbola nisy krizy naharitra toy ity, mahita vahaolana marina ve ianareo mpanao politika ?
Rakotovao Vyvato : Efa ho iray taona sy tapany izao no nikatso ny raharaham-pirenena. Tsy mandroso fa mitotongana manimba ny kely ananana sy izay kasaina hananana. Tsy mbola nisy krizy tahaka izao nolalovana teto amin’ny firenena ka miantso fandraisana andraikitra tsy misy fepetra hanavotana ny tanindrazana.

 
T.T : Efa misy mandray andraikitra anie, sa misy maziamazia izy ity ?
Vyvato  : Krizy politika no misy eto, noho izany tsy maintsy vahaolana politika no tadiavina. Tsy ilaina maziamazia izany fa finiavana sy fitiavan-tanindrazana no ilaina. Raha tena matotra ireo mpanao politika dia tokony ho sahy hijoro avy hatrany. Ny tetezamita marina dia tsy maintsy hiarahana, tsy manilika, tsy miandany ary ara-pilaminana, ankoatra izany dia krizy miampy krizy.
 
T.T : Ho avy ity ny Dinika santatra, tsy io ve no lalana hivoahana amin’izao safotofoto izao ?
Vyvato  : Ny dinika katsahin’ny fiarahamonim-pirenena hatao dia tsy hitako izay maharatsy azy. Ny fifampidinihina ihany no lalana hivoahana amin’ny krizy. Fa ny fanatsarana ny dinika no tokony hatao, ilaina ho feno ny fepetra mba tsy hisian’ny mizana tsindrin’ila sy fanilihana ny fiarahamonim-pirenena hafa tsy ao anatin’ny “Coalition”.
 
T.T : Izany hoe ?
Vyvato : Ny dinika santara dia lasa zary dinika tsy hiarahana. Tokony hanan-kery ny dinika hatao fa tsy fandaniana hafa indray toy ny natao teo aloha na ny teto an-toerana na ny tany ivelany. Ny fiarahamonim-pirenena dia tokony ho mpikarakara fihaonana fa ny politika ihany no mifampitady izay vahaolana.
 
T.T : Raha tsy izay anefa no mitranga dia ahoana ny tohiny ?
Vyvato : Tsy azo avela hitohy izao fahavoazana mianjady amin’ny vahoaka sy ny tanindrazana izao, jereo fotsiny ny voka-dratsy eo amin’ny ala sy ny hazo sarobidy. Potika lasa trafika ny harem-pirenena noho ny hagoragoran’ny fitondrana. Fitondrana tsy marim-pototra sy mikorontana dia tsy mahafehy ny tambajotran’ny varomaizina. Santionana goavana amin’ny vokatry ny krizy politika io resaka hazo sarobidy io.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT