Politique

Rakotovao Vyvato “Fitiavan-tanindrazana no ijoroako”


  • Alarobia 12 Mey 2010


Tia Tanindrazana (T.T) : Nanaitra ny maro, indrindra ny avy amin’ny ankolafy telo ny nahitana anareo tany Iavoloha. Tao ireo nilaza fa namadika ianareo, ny hafa indray niteny nandray vola, izay tokoa ve ?Rakotovao Vyvato (R.V) : Ny anton-dia teny amin’ny lapan’Iavoloha tamin’ny Alakamisy lasa teo dia nanolotra soso-kevitra hikatsahana vahaolana amin’izao krizy lavareny eto amin’ny firenena izao. Mijaly loatra ny vahoaka, ary raha izao no mitohy dia ho potika ihany koa ny firenena. Tsy azo ekena izany raha samy Malagasy ihany no mahatonga izany, ka na aiza na aiza toerana tokony hitoriana vahaolana dia mijoro hatrany ny tenanay manolotra izany. 

T.T : Na izany aza, manitikitika ny maro ihany ny foto-dinikareo tao.
R.V : Ny fototry ny dinika dia efa hiaraha-manana, tetezamita ifampierana, hiarahana sy tsy miandany ary am-pilaminana. Efa samy nanaiky izany ny ankolafy efatra teo aloha, raha ilaina ny fanitsiana dia atao ao anatin’io fototra efa nekena io. Mazava ho azy fa io tetezamita hiarahana io no tokony hanomana izay fifidianana rehetra manaraka ary tsy ekena ny didiko fe lehibe (unilateralisme), tsy mahasoa izany.
 
T.T : Tsy vao io ny fihaonanareo fa natetika ary toa manao volo mifandray tendro raha ny fahitana azy.
R.V : Efa nisy ny fihaonana natao, ary mila tohizana sy halalinina kokoa izany. Ny soso-kevitra dia toy izao : avereno ny Parlemanta nahantona, sokafy amin’ny ankolafy rehetra sy ny hery politika hafa izany, ary dia ampandalovina ao amin’io Parlemanta vaovao misokatra io ny lalàna hifehy ny tetezamita hiarahana sy ireo olona hitantana azy. Io Parlemanta misokatra io no tena endriky ny Antenimieran’ny Tetezamita. Ny tanjona voalohany dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ary avy eo manatona ny fankatoavana iraisam-pirenena. Soso-kevitra efa niaraha-midinika izy io ary natao tanteraka ao anatin’ny fifampierana sy fiarahana mba ho vahaolana am-pilaminana sy ampihavanana mikatsaka ny tombotsoam-bahoaka.
 
T.T : Toa vao mainka mikatso anefa ny fahitana azy.
R.V : Izahay dia manantitra hatrany fa tsy azo ekena ny fampikatsoana ny firenena mihoatra noho izao. Ilaina ny fifampidinihana, izay no tsy maintsy atao voalohany, na eto an-toerana io na aiza.
 
T.T : Teninao farany
R.V : Raha sanatria ka misy voina na loza mianjady amin’ny firenenao, dia hijery sy hitazam-potsiny ve ? Sanatria. Adidy sy andraikitra ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana no mamonjy azy amin’izao toe-draharaha manahirana izao. Soso-kevitra ny anay, ireo mpanapaka no tompon’ny teny farany. Fihavanana no tandrovina, ary fitiavan-tanindrazana no ijoroana.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT