Zara fa nisy olona ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny antoko Hery Vaovao an’i Madagasikara tao Mahajanga ny sabotsy 25 febroary teo.
Raha tsy ireo tanora mpianatry ny oniversite, nentin’ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananera Marie Monique, mety nangadihady ny toerana tao amin’ny Charles Renel. Nandritra ny fandraisam-pitenenana samihafa indray no nitsikeran’ny Governoran’i Mahajanga teo aloha sady efa minisitry ny fampianarana ambony tamin’ny Tetezamita, Razafindehibe Hilaire Etienne, ny tsy fisian’ny serarasera anatin’ny antoko sy ny fanilikilihana anaty misy ka miteraka fialana an-daharana tsikelikely ataon’ny mpikambana. Mai-molotra ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe HVM notarihin’ny minisitra Rakotovao Rivo, nanoloana ny zava-nisy. Re fa maro ireo mpikambana HVM no efa sosotra amin’ny fomba fiasa hafahafa ao anatin’ity antoko ity sy ny fieboeboana diso tafahoatra ataon’ny mpitarika sasany, izay efa mihevi-tena angamba fa izy no deba.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.