Politique

Rakotonirina Angelot Fahoriam-bahoaka manara-penitra no misy eto amintsika


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

Tena miharatsy ny toe-draharaha mikasika ny olan-tany izay mahatonga ny olana ara-tsosialy goavana eto amintsika, hoy Atoa Rakotonirina Angelot Talen’ny fandraharahana ara-lalàna sy ny raharaha hifanolanana eo anivon’ny ministeran’ny mponina.

 Ohatra iray amin’izany, hoy izy, ny zava-misy any Tolagnaro izay tena resaka ady tany no niandohany. “Expropriation foncière” no natao ka nampanantenana ny sandany ny olona ary niandry. Rehefa ela loatra anefa dia nitaky izy nefa dia ny Emmo-reg no tonga. Marihina, hoy ity tompon’andraikitra ity, fa efa hatrany amin’ny faha mpanjaka no nisy ny ady tany teto fa tsy vao izao akory. Tamin’izany dia ireo tompomenakely sy mpanjaka no naka an-keriny ny tany tsaratsara.

Dia nitohy taty amin’ny Repoblika voalohany sy faharoa ary fahatelo izany olan-tany izany nefa mbola kely ny fahavoazana tamin’ireo fitondrana efatra nifanesy ireo noho ny fahavoazana hatramin’izay efa-taonan’ny tetezamita izay. Tsy misy mihitsy ny fijerena tsy fandraisana andraikitra hentitra ataon’ny mpitondra fanjakana mikasika ity olana iray goavana ity, hoy ihany Atoa Angelot, fa lambolamboina amin’ny kabary tsara lahatra fotsiny ny vahoaka. Manampy trotraka izany ny fanomezana vahana ny vahiny, indrindra ny teratany Karana, hoy izy, fa rehefa ry zareo ireo no mitady tany dia tsy maintsy azony izany.

Nisy fikasana hanangana kaomisiona manokana iraharan’ireo ministera isan-tsokajiny amahana ny olana saingy maty momoka ilay izy satria tsy namaly ny antso ny ministeran’ny fitsarana sy ny fitsinjaram-pahefana. Izaho dia sahy milaza mahitsy, hoy Atoa Rakotonirina Angelot, fa fanapotehana firenena ny fanaovana fanotofan-tany an-terisetra, ny fandravana tranon’olona mbola misy mitoetra … satria raiki-tahotra ary lasa marary fo ireo ankizy solofo dimbin’ny ala mahita ny mahazo ny ray aman-dreniny mitebiteby amin’ny trangan-javatra.

Notsiahiviny moa fa efa natory teny ambony hazo mihitsy ny olona tany Ambohimalaza tamin’ity resaka fandravan-trano ity fa tsy nahita hisitrihana. Ilay politikan’ny tetezamita mihitsy, hoy Atoa Angelot, no tsy mijery vahoaka fa variana amin’ny haingitraingitra. Tsy hoe ratsy, hoy izy, ny Coliseum sy ny hopitaly manara-penitra fa ireny ve no tena laharam-pahamehana nefa ny CSB II taka-bahoaka aza tsy misy fitaovana arifomba akory ? “Tena fahoriam-bahoaka manara-penitra no misy eto amintsika ankehitriny fa izay izany ilay fanovana nokatsahina”, hoy ity Tale ao amin’ny ministeran’ny mponina ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT