Politique

Rakotoniriana Jean Claude “Izay mahavaha ny olana no hatao”


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Tena ilaina ny fifidianana satria hiverenana ao anatin’ny maha ara-dalŕna antsika izany, hoy ny Rakotoniriana Jean Claude, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mambra birao politikan’ny Leader Fanilo tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana.

 Raha handany vola ihany anefa, hoy izy dia ny fifidianana mamaha olana no tokony hatao ka ny fifidianana solombavambahoaka io izay tokony alefa mialoha. Raha ny krizy no jerena, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity, dia tsy mamaha olana mihitsy ny fifidianana kaominaly sy rejionaly izany. Manahirana amin’izao fotoana izao ilay hoe tsy fisian’ny olom-boafidy eo anivon’ny parlemanta. Amin’izao fotoana izao, hoy ihany izy, dia efa 300 no isan’ny antoko politika eto amintsika.

Samy manangana daholo izay te hanangana dia afaka miteny amin’ny anaran’ny vahoaka ka ho hita amin’ny fifidianana hatao izay maro an’isa afaka hanangana fitondrana tena ara-dalàna. Mikasika ny famotsoran-keloka dia nambaran-dRakotoniriana Jean Claude fa fanombohana ny tetezamita vaovao miaraka amin’ny fifidianana izy io. Hatramin’izao anefa, tsy mbola misy volavalan-dalàna nomanin’ny governemanta mikasika azy io. Mizarazara be ihany ny hevitra amin’ny ankapobeny nefa dia tokony hodinihana akaiky mihitsy izy io. Aminay dia tsy tokony ho faobe ny famontsoran-keloka nefa miankina amin’ny volavolan-dalàna haroso ihany izany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT