Politique

Rakotondramanana Désiré Miantso fifamelana nasionaly ny FRDL


  • Alakamisy 24 Jona 2010

Niala tamin’ny fahanginany ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Légaliste) tarihin’i Ambroise Ravonison na Tonton Ambroise.

Taorian’ny nisamboran’ny miaramilan’ny FAT an’ity farany ny 15 mey 2010 dia nihaona tamin’ny mpanao gazety ny antoko omaly, tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Rakotondramanana Désiré ary nampahafantatra fa mihombo ny aretin’i Tonton Ambroise ankehitriny. Ny rantsambatany ambany no misy fahavoazana, noho ny daroka nataon’ny miaramilan’ny FIS sy Emmo-Reg tamin’ny nisamborana azy teny amin’ny Fréquence Plus sy teny an-dalana nandritra ny fotoana nitondrana azy tanaty fiara. Nandao an’i Madagasikara ny 05 jona 2010 moa i Tonton Ambroise rehefa nivoaka ny fonja ny 27 mey 2010 ary mitsabo tena any ivelany, any Thionville departemantan’i Moselle (Lorraine) Frantsa, amin’izao fotoana izao.

Nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly ity no nanaovany antso amin’ny mpanao politika Malagasy mba hitandro mandrakariva ny fihavanana Malagasy izay tsapa fa potika tao anatin’izao krizy izao. Resahina betsaka ny fifidianana tato ho ato. Mialoha ny hanatanterahana izany, ny FRDL dia mitaky ny hanaovana fifamelana nasionaly eo amin’ny samy mpanao politika. Natombony amin’ny tenany ny an’i Ambroise Ravonison ka nilazany fa «na dia nogadraina aza aho dia vonona ny hamela noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena». Miantso manokana ny Pr Zafy Albert koa ny antoko hiroso amin’ny fanatanterahana ny «vérité et réconciliation» satria raha tsy tanteraka izany dia mbola ny valifaty no hitsimbalivaly eto. Mitaky ny famoahana ireo gadra politika ny antoko. Teo am-pamaranana dia niantso ny vahoaka malagasy hifanome tanana aminy ny FRDL ho fanavotam-pirenena ary koa hitondra am-bavaka ny firenena. 

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT