Anisan’ireo mpanao politika tsy mitsitsy fitenenana amin’ny fanakianana ny FAT i Rodin Rakotomanjato, solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo farany teo, tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), naorin’ny filoha Ravalomanana.
Manoloana ny resaka mandeha momba ny fahaverezan’asa sy ny fahasahiranan’ny vahoaka izay miha mafy isan’andro, dia nambarany fa “aoka tsy hafatratra amin’ny fitondrana Ravalomanana foana izany, fa tato anatin’ny herintaona sy tapany nitondran’i Andry Rajoelina sy ny FAT no tena nampikorosofahana ny toekarem-pirenena ary nahaverezan’asa be indrindra”. Hoy indrindra izy nanazava : «ny filoha Marc Ravalomanana no tena nahita hevitra hamoronana karazana tetika hanome asa ny tanora sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny, ary mialoha ny naha filohan’ny Repoblika azy dia efa nanana orinasa nampiasa sy namelona Malagasy an’aliny izy. Noravan’ny mpanongam-panjakana anefa izany rehetra izany. Ka dia nitombo ny tsy an’asa, tsy manana orinasa goavana mividy ny vokatra intsony ny tantsaha, mimenomenona ny mpandraharaha, ary mirenireny sy lasa manao asa ratsy ny tanora satria very asa sy tsy manana antom-pivelomana matotra». Nambaran-dRakotomanjato Rodin fa tena nisy akony ratsy teo amin’ny tontolon’ny asa teto Madagasikara ny fijanonan’ny AGOA, hany ka efa mananika ny 100 amin’izao fotoana ireo orinasa afaka haba mikatona. Ankoatra izay araka ny fanazavany ihany, dia nopotehana ny Tiko fa lazaina hoe : manao ampihimamba ary manambaka ny Malagasy sy mivarotra entana lafo.
Hita mibaribary anefa amin’izao fotoana, araka ny nambarany fa mitobaka eto amintsika ireo vokatra azo avy amin’ny ronono avy any ivelany, ary ny sasany aza tsy fantatra mazava ny tena fiaviany. Sady lafo lavitra noho ny «yaourt» sy ny fromazy ary ny dibera namidin’ny Tiko teo aloha, izy ireny no tsy manara-penitra fa misy mihitsy ny mitarika aretina ho an’izay mihinana azy. Manamafy ity olom-boafidy avy ao Arivonimamo ity fa «tena nanapotika ny tontolon’ny fihariana sy ny toekarena teto Madagasikara ny FAT ary sy tokony hiala bala amin’izany zava-dratsy vitany izany mihitsy, na hanilika ny rihatra any amin’ny hafa. Tsy nisy mihitsy mantsy ny fahaverezan’asa ana hetsiny, raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana», hoy Rakotomanjato Rodin. Aminy dia mila ravana avokoa aloha izay tsy mety rehetra amin’izao fotoana, izay vao manorina vaovao indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.