Politique

Rakotomanjato Rodin Manome 72 ora hodian’ireo “Frantsay” mampiahiahy


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Mihazakazaka be ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Herintaona mahery izao no nahatafalatsaka lalina tanaty krizy politika antsika ary dia miantraika amin’ny sosialy sy fiharian-karena izany.

Raha atao hoe “ry moana” no niantsoana ny foloalindahy hatramin’izay dia lasa nivadika ho “be resaka” izy ireo ankehitriny. Tamin’ity herinandro ity dia anisan’ny nitana ny sain’ny mpanara-baovao ny fanambaran’ny hery vonjy taitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena na ny FIGN. Manohana ireny antson’ny zandary teo anivon’ny Fign ireny ny ankolafy Madagasikara, hivondronan’ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert. Manome toky ireo zandary tonga saina izahay, hoy ny solombavambahoaka Rodin, fa dia hanaraka ny antson’ny FIGN, hiara-hiasa ary dia mitarika ny vahoaka izahay, hoy izy, hiara-dia amin’ny FIGN. “Manomboka izao dia vonjeo ny lakazerina, apetraho any ireo jiolahy politika ireo”, hoy ihany ingahy Rodin. Momba ireo Frantsay am-polony tonga eto amintsika tamin’ity herinandro dia nambaran’ity olom-boafidy ity fa manome 72 ora an’i Frantsa hampody azy ireo hisorohana ny fiverenana toy ny tamin’ny 1972. Tsy ny Frantsay manko no hibaiko ny hitondrana an’i Madagasikara, araka ny fanazavana. Tetsy an-danin’izany dia nanamafy ny tenin’ny zanak’i Toliara fa raha hanangana izany governemantany izany i Andry Rajoelina dia hanangana ny azy ihany koa i Toliara. Ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ihany no hany vahaolana hamoahana ny firenena amin’ny krizy. Araka izany, dia miantso ny rehetra hiara-hiasa amin’ireo mpitandro ny filaminana ny ankolafy Madagasikara. Ho an’ity anio ity dia eny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka no hifamotoana ireo mpiray dia amin’ny ankolafy telo. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT