Politique

Rakotomanjato Rodin Basy atifi-kavana ny azy omaly


  • Zoma 24 Septambra 2010

Miverina an-kianja tsikelikely ao amin’ny Magro ireo mpitari-tolona avy amin’ny ankolafy telo rehefa tsy teo elaela. Anisan’ireny ny depioten’Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin izay nilaza fa mbola nanadihady ny zava-misy no tsy nahateo azy.

Basy atifi-kavana ny azy omaly mikasika ireo resabe nandeha tato ho ato, toy ny fisisihan’ny FAT hanala ireo olom-boafidy. Mbola teny Ambohijatovo ny hetsiky ny TGV dia efa noventesina ny fanalana na ny filoha Ravalomanana, ny Parlemantera ary ny Ben’ny tanàna, hoy izy ka tsy atao mahagaga. “Izao ve ianareo vao hampirehatra afo”, hoy izy. Sao dia hanenenana ! Notohizany tamin’ny filazana fa aza maniry ny tsy misy, ho valin-kafatra amin’ny fitadiavan’ny FAT fomba rehetra tsy hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, toy ny namoahana didim-pitsarana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty, ny tsy fanomezana famotsoran-keloka. Teny tamim-pahatokiana sy feno fanantenana no nilazan’ny depiote Rodin fa ny filoha Marc Ravalomanana sy ny amiraly Ratsiraka dia tsy maintsy hody. Mbola nampiany fa efa miomana amin’ny fitsenana azy ireo ny any ambanivohitra ka amin’io andro io dia hiakatra eto hatramin’ny sarety, hoy izy. Ho avy koa ny vahoaka amin’ny kaonferansa nasionaly hokarakarain’ny CNOSC, tsy maninona raha hatao Ankolafy 5 na 6 na 7.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT