Politique

Rakotomanjato Rodin “Aleo ahena ny fety fa tsinjovina ireo tsy an’asa !”


  • Talata 22 Jona 2010


Ao anatin’ny fanomanana ny 26 jona isika amin’izao. Hiavaka ity indray mitoraka ity satria feno 50 taona ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Ho an’ny FAT dia nambara fa hiavaka ny fankalazana ary ny faritra sy distrika tsirairay dia hisy afomanga. 10 tapitrisa ariary, araka ny vaovao no omena hanaovana izany fety izany. Ho an’Arivonimamo manokana dia tsy mbola nahazo, izany lelavola izany, araka ny fanazavan’ny depiote voafidy tany an-toerana, Rakotomanjato Rodin. Momba izay famafazana vola izay moa dia notsipihin’ity olom-boafidy ity fa tokony hijery ireo very asa ny FAT toy izay handany vola amin’ny fanafarana mpihira vahiny. “Aleo ahena ny fety fa tsinjovina ireo tsy an’asa”, hoy izy. Etsy an-danin’izany, dia nokianin’ity solombavambahoaka ity ihany koa ny nilazan’ny FAT fa handray andraikitra manoloana ny zava-manjo ireo mpiasa malagasy any Liban. Hatramin’izao anefa, hoy izy, dia sanatria toa faty foana sisa no miverina avy any. Toa very anjavony ihany koa izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT