Politique

Rakotomanjato Rodin “Ady seza sy tombontsoa no teny Vontovorona”


  • Alarobia 01 Septambra 2010


“Ampahany vitsy amin’ireo nidinika teny Vontovorona no voafim-bahoaka”, hoy ny depiote Rakotomanjato Rodin voafidy tao Arivonimamo (Itasy). “Ady seza sy tombontsoa no betsaka”, hoy ihany ity olom-boafidy Tiako I Madagasika (TIM) ity, izay namariparitra ihany koa fa sahirana ny vahoaka ankehitriny, ireo ray aman-dreny miatrika ny fidiran’ny mpianatra, ny tantsaha tsy manana zezika izay niteraka voka-dratsy amin’ny vokatra. Manoloana ireny didim-pitsarana ireny moa dia tsotra no nambaran’ny depiote Rodin. Tsy tokony halahelo ny olona, hoy izy. Nanentana ireo mpiara-mitolona koa ny tenany mba hanatitra antontan-taratasy hitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana, dia ny momba ireo naratra, marary, ary namoy ny ainy. Misy laminasa vaovao any, hoy ihany ity olom-boafidy ity. Mifanohy amin’izay ihany moa dia nambaran’ingahy Ignace solontenan’i Moramanga fa tsy tokony hanaovana valifaty politika ny fitsarana, fa raha izany, hoy izy, dia manana dosie maro azo entina eo anatrehan’ny fitsarana ihany koa izy ireo. Ny zava-misy ankehitriny, hoy kosa ny solontenan’ny fikambanana Matita, dia ny miaramila mandroba sy mangalatra afaka fa izay manao ny asany kosa no migadra. Nohamafisiny fa tsy misy vahaolana afa tsy ny fialan-dRajoelina. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT