Nifamotoana tamin’ny fianakaviamben’ny antoko politika indray ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) teny amin’ny foiben-toerany Alarobia, omaly.
Novoaboasan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana Rakotomalala Hery ireo dingana efa vita sy ny programa am-periny sy ho avy. Anisan’izany ny fihaonana amin’ireo raiamani-dreny am-panahy avy amin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana eto Madagasikara) sy ireo mpitarika antokom-pinoana hafa. Hatolotra eny amin’ny Fiadidiana ny primatiora tsy ho ela ihany koa ny volavolam-panitsiana ny lalàm-pifidianana, araka ny fanazavany. Fanambin’ny kaomisionina kosa mandritra ny fifidianana manaraka ny hampitombo ny isan’ny mpifidy miaraka amin’ny salan’isa fandraisana anjara. Lohahevi-dehibe nisongadina nandritra ny dinika moa ny fomba fitondran-tena mendrika ho an’ireo antoko politika. Sarotra ny mahazo ny fahatokisan’ny vahoaka, hoy ny lehiben’ity rafitra mikirakira ny fifidianana ity. Tsy ny Ceni velively no mpangala-bato. Ho foana rahateo io fomba mamohehatra io raha mandray ny andraikiny ireo antoko politika amin’ny famenoana ireo delege manerana ny birao fandatsaham-bato miisa 18.000, araka ny fanamarihany.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Vitsy hatrany ireo solontenan’ny antoko politika miatrika ny dinika karakarain’ny Ceni eny Alarobia
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.