Politique

Rakotomalala Henri na i Riribe Efa vita fihavanana tamin’Antananarivo


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Efa vita fihavanana tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny tenako, hoy i Riribe raha tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana omaly.

 

 Vao nivoaka ny fonja ny tenako tamin’ny volana martsa tamin’ny taona 2010, avy hatrany dia nivantana teny amin’ny Magro Ankorondrano nihaona tamin’ny vahoakan’Antananarivo. Raha raisina ho fahadisoana ny fanapahan-kevitra politika noraisiko tamin’ny taona 2002 dia efa nifonako tamin’ny vahoakan’Antananarivo sy tamin’Atoa Marc Ravalomanana na tsy mbola nihaona nivantana aza izahay mianaka hatreto.

Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny noresahina dia tsy miova ny teny efa nataoko manao hoe : « heloka eo anatrehan’Andriamanitra  sy ny vahoaka Malagasy ny hangina manoloana izao fahoriana mihoapampana mahazo azy izao noho ny ataon’ny mpitondra ankehitriny. Ambarako, hoy i Riribe, fa mila mandray andraikitra avokoa ny tsirairay avy eto amin’ny firenena na ny vahoaka na ny mpanao politika mpanohitra  na ireo fiarahamonim-pirenena na ireo mpitondra fivavahana,  indrindra ireo mpitandro ny filaminana, hanala izao fitondrana mampijaly vahoaka izao. Sahy nanome toky ny vahoaka Malagasy i Riribe fa vonona hijoro hatramin’ny farany ny tenany hanohitra izao fomba fitondrana mamohehatra iainan’ny Malagasy izao na dia misy aza fividianana olon’ny mpanohitra sasantsasany ataon’ny mpitondra ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT