Politique

Rakotoarivelo-Beriziky-Rajoelina Hifanebaka eny Iavoloha ?


  • Zoma 04 Janoary 2013

Hotanterahana ny alarobia 9 janoary ho avy izao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana fifampiarahabana eo amin’ny samy andrim-panjakana sy ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara.

 Raha ny harofenitra nahazatra hatramin’izay dia hikabary mandritra io lanonana io ireo lehiben’ny andrim-panjakana rehetra ato anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Anisan’ny kabary andrasan’ny olona fatratra ny fanambarana hataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita, fa eo ihany koa ny an’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, izay efa niaraha-nahita ihany ny zavatra nambarany tamin’ny taon-dasa, teo ampamaranana ny kabariny nilazany fa “ho avy ny filoha Marc Ravalomanana”. Izy rahateo lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, ka azo antoka fa tsy kabary handoka ny filohan’ny tetezamita na sanatria hisolelaka aminy no hataony ao, fa zavatra hafa mihitsy.

Fa tena mahaliana ny maro ihany koa izay mety hambaran’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer amin’io 9 janoary io. Izy mantsy no hiandraikitra manontolo ny fanaovana ny tatitra tamin’ny asa vitan’ny governemanta, sy ireo eo am-panatanterahana ary ireo tsy mbola vita. Efa nisy ampahany ihany nambarany ny mpanao gazety teny Mahazoarivo, izay nanambarany fa sady tsy fantany no tsy mazava aminy ny loharanom-bola nanaovana ireny foto-drafitrasa manara-penitra ireny.

Fanambarana izay niteraka resabe tokoa, ary nampisafoaka ireo mpomba an-dRajoelina ary dia nahery vaika tokoa ny fanenjehan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina, ny praiminisitra Beriziky, ka ho hita eo izay valin-kafatra ofisialy avy amin’ity farany. Moa va hanaiky hodarohana foana izy ka handefitra manana ny rariny, araka ny fomba fiteny? Izy rahateo koa diplaomaty. Sa kosa ho sahy hijoro sy hiteny ny tena marina ka tsy hanaiky hosiosena an-tampon-dohany fa hanambara ny tena zava-misy marina ka hifanebaka imaso? Andrasan’ny maro izay zavatra mety hambaran’i Beriziky amin’io alarobia tsy miverina io, ary maro no mihevitra fa miankina amin’izay hambarany eo ny hoavy politikany sy ny mety hoavin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ihany koa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT