«Toherinay 100% io réferendum io, izay tsy mifanaraka amin’ny marimaritra iraisana, tsy nifanarahana, tsy misy mangarahara ary koa tsy andraisan’ny rehetra anjara ny fanomanana azy. Toherinay ny fihaonambem-pirenena». Tamin’ny feo avo no nanambaran’ny depiote Rakotoarison Yves Aimé, fantatry ny maro hoe Memé, izany tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Tsy io «référendum» io no andrasan’ny vahoaka sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy. Ny zavatra ilainy, araka ny fanazavany, dia izay tarihin’ny Cnosc izay hankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ahafahana mametraka ny tena tetezamita ifanarahana. Manaraka azy avy eo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy misy vahaolana hafa ankoatra izay, hoy ihany ity depioten’i Tolagnaro teo aloha ity, afa tsy ny fialan’izay sakana dia i Andry Rajoelina sy ny FAT ankehitriny. Momba ny resabe mandeha momba azy kosa amin’ny famadihana ny tolona dia nambarany fa «raha vola na voninahitra na seza no tadiavina dia naleo nanaiky hatramin’ny aprily 2009 fa tsy aty amin’ny oktobra 2010. Tsy hanaiky izay fanendrena tsy misy fankatoavan’ny fianakaviambe iarisam-pirenena i Yves Aimé Rakotoarison», hoy ihany izy tamin’ny teny hentitra. Manoloana izany dia nanentana ny vahoaka hiaraka hisalahy amin’ireo mpitarika ny Ankolafy Telo fa tsy hiandry ho efa tara loatra. Hatsangana koa, hoy izy ny Fikambanan’ireo mpanohitra ny tsy ara-dalàna misy eto amin’ny firenena ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.