Politique

Rakotoarisoa Rigobert “Avelao ho avy ny fifidianana hahitana ny vokany”


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Naneho ny heviny mikasika ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena notontosaina teny Ivato Rakotoarisoa Rigobert, Ben’ny tananan’ny Kaominina ambanivohitra Soavina Atsimondrano.

Nasiany resaka manokana ny fikasana hanolo ho PDS ny Ben’ny tanana rehetra manerana ny Nosy. Nambarany fa tsy ampahatelon’ireo olona nifidy ny Ben’ny tanàna tamin’ny toerana iray akory ireo mpizaika 1.400 isa nanapaka iny fehin-kevitra teny Ivato iny. Sitrany tokoa noho izany raha amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hanatanterahana ity fehin-kevitra ity ahitana sy hahafantarana izay tena mamim-bahoaka marina. Nambarany fa afaka milatsaka izay rehetra te-hilatsaka ary afaka mangalatra “depart” mihitsy raha tiany izany. Ho an-dRandrianazanany Victor Lalao, filohan’ny koperativa Komafila 148 kosa dia vao maika hanakorontana ny sosialim-bahoaka ny fisian’ity fanoloana Ben’ny tanàna ho PDS ity.

Raha ny fanovana anarana no mahafinaritra, hoy izy dia azo hatao tsara izany saingy tsy tokony hotsinontsinoavina kosa ny safidim-bahoaka. Zavatra iray lehibe mety ho voatohintohina, hoy ihany izy manoloana ity fehin-kevitra tapaka ity ny mikasika ny fahatapahan’ireo tetikasam-pampandrosoana tokony hotontosaina eny anivon’ny kaominina. Na izany na tsia izany anefa dia tongotra mby an-dakana ny an’ny fitondrana FAT. Hotontosaina ny 20 desambra ho avy io ny fifidianana Ben’ny tanàna raha hanomboka afaka roa herinandro kosa ny propagandy. Enga anie ka fifidianana marina sy tena mangaraharaha tokoa no hitranga fa tsy sanatria ho fangalaram-bato. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT