Mivantambatana ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Jean Louis Rakotoamboa, filoha masionalin’ny antoko Teza, ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tao ho ao tokoa manko dia betsaka ireo sahoan-dresaka niely etsy sy eroa ka dia taterina aminao izany.
Tia Tanindrazana (TT) : Miarahaba anao Atoa minisitra…
Jean Louis Rakotoamboa (JLR) : Minisitra ahoana ?
TT : Tamin’ny gazety no namantarana izany fa dia ho anisan’ireo mpikambana ao anatin’izay ho governemanta hajoron’i Andry Rajoelina eo ianao ?
JLR : Zavatra entina hampisavorovoro fotsiny ireny fa tsy mitombina mihitsy
TT : Raha ny feo mandeha sady mampiahiahy ny olona dia mamadika ianareo mpitari-tolona, na koa hoe misy mamadika ao aminareo ao ?
JLR : Avelao handeha ny tantara dia ho hitantsika eo izay hoe mamadika fa fanosoram-potaka avokoa ireny, tsy mitombina, mampihomehy.
TT : Tsy mahazaka olona koa ny ankolafy 3, araka ny fahitan’ny olona ?
JLR : Diso be izany. Izao aza vao mainka hita fa milaza ny zava-marina sy mitombina no hijoroan’ny ankolafy. Mibaribary fa i Frantsa no milalao ny saribakoliny. Fanjakan-jiolahy no eto ka dia ady an-trano no misy.
TT : Mandeha be ny feo fa hoe manodinkodim-bola sy manao afera fotsiny ianareo mpitarika ao ?
JLR : ny tenako manokana aloha dia tsy mitady vola amin’io. Tsy mitantam-bola koa. Misy ny ahiahy fa raha izaho manokana tsy mahafantatra. Tolona amin’ny fo no ataonay ary anisan’ny manana ‘victime’ izahay, ohatra hoe ry Moxe, ry Ihanta mivady.
TT : Tsy mitovy hevitra ianareo ao ?
JLR : ao anatin’ny demokrasia, dia tsy voatery hitovy ny hevitra fa misy kosa ny adihevitra, miezaka mifanitsy. Misy ny namana tsy manana kolontsaina demokratika sy politika ka tsy maintsy mifampitaiza. Zavatra miseho koa, misy olona mety “fidèle” amin’ny foto-kevitra hijoroan’i Marc Ravalomanana dia ny fahaleovantena ara-toekarena, ary dia atao samihafa sy betsaka ireo mpampiasa vola eto ka manana tombontsoa kosa anefa iarahany manokana amin’i Frantsa. Tsy hifanomezan-tsiny io. Mety miaro manokana ny Frantsay izy. Izay zavatra izay no miteraka fifampiandaniana satria ny fomba fijery tsy mitovy, tsy mitovy koa ny tombontsoa arovana.
TT : Izay eo ihany fa ianareo mpitarika mihitsy anie no toa misakana ny hiverenan-dRavalomanana eto an-tanindrazana e?
JLR : Mety misy aloha izany. Ho anay manokana anefa, dia mila milatsaka hofidina i Marc Ravalomanana, mila tsarain’ny vahoaka izy na tokony hitondra na tsia. Tadidio fa notapahana tamin-kerisetra anie ny nitondrany e ! Ireo maramara saina manohitra izany dia toherinay. Izahay kosa dia hampandany azy tanteraka.
TT : Misy ve hafatra tianao hampitaina amin’ireo mpamaky ?
JLR : Amin’izao dingana izao dia tsy ilaina aloha ny fivakisana ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana satria ny tanjona dia ny hampiharana izay voarakitry ny Maputo. Izany hoe mila mifamela, honerana ireo olona lasibatra, dinihana ny lalàmpanorenana, ny lalam-pifidianana, ny lalàna hifehy ireo antoko politika, izany hoe : fametrahana ny lasitra demokratika. Tsy azo atao tandrametaka izany. Izay rehetra tsy mandeha amin’izay lalana izay dia afaka miditra ao amin’ny governemantan’i Andry Rajoelina.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.