Politique

Rakotoamboa Jean Louis Mila fifampiresahana eto !


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Olana fototra mahatonga ny tsy filaminana eto amin’ny firenena tao anatin’izay 56 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay ny tsy fisian’ny fototra demokratika mampanjaka ny “tenierana ifampifehezan’ny mpitondra sy ny vahoaka entina”,

hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis. Vavolombelona mitohoka amin’ny tendany rahateo ireo hetsika fanoherana ara-politika samihafa nitranga teto anivon’ny fiarahamonina Malagasy toy ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 na koa ny 2009. Tsy vahaolana moa ny fanatanterahana fifidianana mialoha ny fotoana ho an’ny antoko Teza. “Aleo hamita ny fe-potoana nifanarahany tamin’ny vahoaka mpifidy ny filohan’ny Repoblika am-perinasa”, araka ny fanehoan-kevitr’ity mpitarika antoko politika ity. Mila manatontosa adihevitra lalina kosa manodidina io fototra demokratika io anefa ny mpanao politika sy ny vahoaka Malagasy mialoha ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Hitondra fitoniana sy filaminana politika eto Madagasikara ny fifampiresahana an-kitsim-po ifotony mikasika ireo fotokevi-dehibe efatra antom-pisian’ny demokrasia dia ny Lalàmpanorenana, ny lalàna momba ny fifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko politika ary ny lalànan’ny serasera. 

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT