Mila manana fototra tsara isika fa betsaka ireo manara-drenirano fotsiny, hoy ny senatera sady filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Nanohana tamin’ny Repoblika voalohany, avy eo nanao ‘oyé oyé’, avy eo indray dia lasa mpomba an’i Zafy Albert ary farany teo dia milaza azy fa TIM daholo. Manoloana ireny, hoy ny filohan’ny Teza, dia mila maka lesona satria tafavondrona ao anatin’ny ‘Escropol’, araka ny filazan-dRakotoamboa azy, ireo mpiady seza rehetra. Momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary indray dia nambarany fa mafy noho iny 7 febroary 2009 iny ny raharaha 26 janoary 2009, ireo olona nahatrarana andramena teo an-tokotaniny, heloka bevava avokoa ireny, araka ny fanazavany. Raha namaly ny fanontaniana momba ireny rehetra ireny anefa ingahy Rajoelina ny alahady lasa teo dia toy ireny anjely kely ireny ny tenany, hoy Rakotoamboa Jean Louis, toy ny hoe tsy nisy nidirany ny valim-pitsarana. “Mendrika helohina i Andry Rajoelina fa miandry ireo dosie rehetra ireo isika. Raha tsy hotsaraina ireny, dia isika no hitory”, hoy ihany izy. Hafatra moa no napetrany ho an’ny FAT: “Aza managadra olona foana ianareo fa tsy madio tanana”. Araka ny vaovao ihany dia nilaza ny filoha nasionalin’ny Teza fa efa am-panomanana paikady handrosoana amin’ny tolona ireo mpitari-tolona amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.