Politique

Rakotoamboa Jean Louis Mbola miasa ny Frantsafrika


  • Zoma 01 Febroary 2013

Rehefa jerena ankapobeny ny raharaham-pirenena amin’izao dia voaporofo fa ny Frantsay no fototry ny olana eto Madagasikara, hoy Rakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny Teza sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita raha nikabary tetsy amin’ny Magro omaly.

 Na sosialista na demokraty no mpitondra frantsay dia tsy niova fa ny tombontsoa frantsay no arovany ka ny Frantsafrika no miasa amin’izany. Anisan’ny porofo navoakan’ny filohan’ny Teza ny fanambaran’ny ambasadaoro frantsay vaovao, François Golblatt, ny fisiana tafika frantsay manofana tafika malagasy. Fanontaniana moa no napetrany ny amin’izay tena antony hanofanana ny miaramila amin’izao. Ankoatra izay dia nambaran’ity filoha nasionalin’ny Teza ihany koa fa ny lalàna rehetra momba ny fifidianana hatao eto Madagasikara dia mitanila avokoa.

Hanao zandarim-pifidianana i Andry Rajoelina, hoy Rakotoamboa Jean Louis satria na ireo lehiben’ny Faritra, na ireo lehiben’ny Distrika dia azy avokoa. Manoloana ireo rehetra, hoy izy, dia hita fa tsy hisy mihitsy ny fitoniana, manginy fotsiny, ireo sesitany politika tsy mbola tafody, ireo gadra politika tsy mbola tafavoaka ary ireo haino aman-jery tsy mbola malalaka. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tenany hanampy an’i Madagasikara amin’ny famerenana ireo 500 tapitrisa dolara, vidin’ny boaderozy nivoaka teto. Izany vola izany dia hanampy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy Rakotoamboa Jean Louis.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT