Politique

Rakotoamboa Jean Louis “Malagasy no ampiasain’i Frantsa hiaro ny tombontsoany”


  • Alarobia 05 Mey 2010


Ataon’ny Frantsay fitaovana hanonganana ny fitondrana nijoro ara-dalàna teto i Andry Rajoelina hiarovany ny tombontsoany. Mbola i Frantsa ihany no mampiasa an’i Andry Rajoelina hanao io fifidianana tsy handeha amin’ny laoniny io hiarovana ny tombontsoan’i Frantsa. Rakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny antoko Teza no niteny ireo, tao amin’ny Magro Behoririka omaly ary dia nanao antso avo amin’ny miaramila koa ny tenany. Hadisoana roa manko no nataon’ny foloalindahy, hoy izy. Tamin’ny voalohany ianareo nanaiky ny nanao fanonganam-panjakana satria nanantena fiovana, hoy Rakotoamboa, faharoa dia nanaiky nanohana ny fitondrana mpanongam-panjakana ka nampilentika ny firenena ny miaramila. Amin’izao dingana izao, hoy ihany Rakotoamboa, dia hanohy handeha amin’ny lalana tsy izy ve ny tafika, ka haka ireo toerana 13 nolazain’i Andry Rajoelina fa homena azy ireo. «Raha indray mandeha ianareo no voafitaka, dia tsy omen-tsiny, raha mbola hisy kosa ny faharoa sy fahatelo dia asanareo”, hoy izy. Efa tsy afaka mandoa vola intsony ny fanjakana, hoy Rakotoamboa, ny vola vahiny efa manify dia manify, ary efa mananontanona ny fitraoaran’ny olona. Fantatra, araka ny vaovao, fa raha hanao bontolo amin’ny raharaha eto Madagasikara i Frantsa dia tsy hanatrika ny fihaonan’i Frantsafrika atao any Frantsa ny firenena afrikanina maro. Amin’ity anio ity moa dia eny Tanjombato no hifamotoana ireo ankolafy telo, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT