Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hiakatra fitsarana amin’ity anio ity ny «raharaha 7 febroary». Io foana moa no dradrain’ireo mpitondra ankehitriny ka ilazana ny filoha Marc Ravalomanana fa manana tanana mihosin-dra.
Fantatry ny rehetra anefa, ary inoana fa fantatr’ireo izay nitarika ny olon-tsotra ho nandeha teny fa toerana saro-pady ny faritry ny lapam-panjakana izany ka manana zo tanteraka hiaro izany ireo mpiambina azy, indrindra misy fanjakana mijoro ara-dalàna. Faritra mena no nitondrana ny vahoaka io sabotsy 07 febroary 2009 io, karazan’ny natao sorona nandotoana ny mpitondra ka nanamora ny fanongam-panjakana. Tetsy an-danin’izay, toa hodian’ny mpitondra ankehitriny fanina ireo olo-marobe namoy ny ainy vokatry ny halatra, ny fandorana, ny fandrobana nataon’ireo andian’olona niainga avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 26 janoary 2009 sy ny toarian’izany. Mbola vono olona, na dia atao tsy mivantana koa aza ny fahaverezana asa noho ny fandrobana sy ny halatra. Izany indrindra, omaly, nandritra ny hetsiky ny ankolafy telo tao Behoririka, no nametrahan-dRakotoamboa Jean Louis ny fanontaniana hoe : “Mby aiza ny famotorana momba ireny raharaha rehetra ireny, talohan’ny 7 febroary ? “
Nahoana no tsy ireny nahavita heloka sy namono olona ireny no tsaraina ?”, hoy izy. Ankoatra izay, dia novakian’ny filoha nasionalin’ny Teza bantsilana fa dia “50 taona taty aoriana, dia mbola ny Frantsay ihany no mangeja an’i Madagasikara sy ny Malagasy”. “Tsy hanavao izany intsony isika”, hoy izy satria “tsy maintsy hatao modely ny firenena Malagasy”. Nambarany ihany koa fa dia “mivadibadika ny miaramila Malagasy”. “Manoloana izao fanamarihana ny faha-50 taona izao, aiza ho aiza ny andraikitry ny tafika Malagasy ?”, hoy ihany izy. Raha ny zava-misy tokoa manko hatreto dia ny tafika no karazan’ny manao lalàna. Zary fampitahorana izy ireo ho an’izay tsy mitovy hevitra aminy. Karazan’ny very ihany ny fahatokisana azy satria ny tsy fandriampahalemana izay tena ianteherana aminy dia tsy vitany ny mitandro azy. Ilay nolazaina fa “moana” koa, lasa “be resaka” ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.