Politique

Rakamisilahy Martial Nanamafy ny tsy hirotsahany hofidiana intsony


  • Talata 28 Jona 2011

Nohamafisin’Atoa Rakamisilahy Martial, Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany am-perinasa, izay efa nambarany teto amin’ny Tia Tanindrazana, fa tsy hilatsaka amin’izay mety ho fifidianana rehetra misy eto amin’ny firenena intsony izy.

 Zavatra hafa kosa indray, hoy izy raha misy ny fanendrena ahy ho loholona na ho “Chef de Province” amin’ny rafitry ny Repoblika faha-4. Izaho kosa anefa, hoy ihany izy, dia hanohana ny ekipa izay nitolona amin’ny fametrahana ny Repoblika faha-4 io. Amiko, raha resaka politika no resahina dia tsy maintsy miaraka ireo mitovy hevitra. Ao anatin’izany ohatra ry Zafy sy ireo mpanohana an-dRavalomanana, ary ao koa ireo nitolona ho an’ny fanovana hidirana amin’ny Repoblika faha-4. Tsy maintsy hampanjakana ny demokrasia eto amintsika ka izany no anton’ny nisian’ny ankolafy politika nilahatra tamin’ny matso fanamarihana ny fetim-pirenena teto Manakara ny 26 jona. Tonga hatramin’ny vahiny mpanao rugby avy any Antananarivo nilahatra teto Manakara ka sahiko ny milaza fa hatramin’izay nisian’ny matson’ny 14 oktobra sy 26 jona teto dia ity no tena nahavory olona be indrindra. Midika izany fa tsy miraharaha loatra ny resaka politika ny olona fa tonga manamarika fety, hoy hatrany Rakamisilahy Martial.  

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT