Tapa-bolana mahery roa andro taorian’ny nahavitan’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro dia tsy sahy nandray fanapahan-kevitra hampihatra izay tapaky ny mpizaika tamin’io ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT).
Sasatry ny nosoloina na novaina izay fehin-kevitra teny, na dia niteny aza ny Raiamandreny Mijoro fa hanara-maso akaiky ny fampiharana izany. Tapaky ny mpizaika fa hosoloina avokoa ny lehiben’ny Faritra miisa 22 manerana ny Nosy. Mpizaika miisa 1312 no nanao «ENY» ka nandany io fehin-kevitra io. Nandeha ny tolo-kevitra tamin’izany fa administratera no hasolo azy ireo. Mandrak’ity ny anio, tsy nahasahy nandray fanapahan-kevitra hanala amin’ny toerany ka hanolo ireo Lehiben’ny Faritra ireo ny FAT. Mazava ny hafatra tian’ny mpizaika tamin’iny fihaonambem-pirenena iny tamin’ny mpitondra ankehitriny fa tsy matoky ny olona notendreny intsony ny any amin’ny Faritra. Ho hafahafa ho an’ny FAT ihany anefa ny hanongotra manta ireny Lehiben’ny Faritra ireny, satria dia amin’ny lafiny iray dia mitory fahalemena ho azy amin’ny endriny faharoa indray koa anefa dia betsaka amin’ireny Lehiben’ny Faritra ireny no nanao sorona ny ainy ary nampiasa ny fahefana rehetra teo aminy, hiarovana io fitondrana FAT io, na dia mahery vaika aza ny fanakianan’ny vahoaka sy ny fanoheran’ny mpanohitra azy ireo, ka manangana fahavalo ihany ny mpitondra FAT raha manala ankitsirano ireny Lehiben’ny Faritra ireny.
Na izany aza dia tsy vitsy no mihevitra fa ambivitra ny fotoana hijanonany amin’ilay andraikitra, ka dieny izao dia efa manoman-tena. Anisan’ireny Rakamisilahy Martial, lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Namory olona tao amin’ny Sidi Hotel, tao Manakara izy tamin’ny talata heriny anio. Olona nasaina no tao, ary mpiasam-panjakana sy lehibena sampandraharaha ny ankamaroany. Nandritra izany no nilazany fa efa Ben’ny tanàna izy, efa depiote, Lehiben’ny Faritra amin’izao fotoana, ka tsy dia manana eritreritra hitana ireo andraikitra ireo, fa any amin’ny sehatra hafa tsy mbola nataony no mahaliana azy, toy ny Loholona na lehiben’ny Faritany. Ho hita eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.