Politique

Rajomalahy Samuel «Tsy tokony hilatsaka hofidiana izay rehetra ao anaty tetezamita»


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Afa-po tanteraka tamin’ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, Rajomalahy Samuel, solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Ambalavao. Nomarihan’ity mpanao politika ity fa tena mipetraka amin’ny maha raiamandrenin’ny Malagasy rehetra azy ny filohan’ny FAT amin’ny tsy nilatsahany hofidiana.

Izany mantsy no takian’ny rehetra ka efa mazava izany ny resaka amin’izao fotoana, hoy Rajomalahy Samuel fa dia hanao izay hampandeha ny tetezamita fotsiny fa tsy manana eritreritra ny ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina. Niantso ireo rehetra tsy an-kanavaka ao anatin’ny tetezamita koa anefa izy mba hanaraka izany ohatra tsara nasehon’ny filoha izany, ka tsy tokony hisy ho kandida amin’ny fifidianana mihitsy izany, raha ny tokony ho izy izay rehetra manana andraikitra ao anati’izao fitondrana izao, fa dia miasa mba hampalavorary ny tetezamita sy ny fanatanterahana ny fifidianana ary manomana ny fitsimbadihana any amin’ny Repoblika faha-4. Raha misy ny manana eritreritra ny hilatsaka hofidiana depiote na filoham-pirenena, na hanohana kandida hafa dia tokony mametra-pialana dieny izao, araka ny fepetra napetraky ny praiministra, hoy i Rajomalahy Samuel. Mikasika ny hoavin’ny firenena kosa dia niantso ireo manampahefana rehetra mba tsy hanapotika ny toekarena noho ny sangodimpanina politika sy ny fitiavan-tena ity olom-boafidy teo aloha ity. Aoka izay ny fanangonan-karena amin’ny fanaovana politika, hoy izy. Aminy, tsy tokony hiankin-doha be loatra amin’ny any ivelany i Madagasikara fa mihafy amin’izay kely hananana aloha dia miasa mafy raha te hanana misimisy kokoa sy hanatsara ny fiainana. Aleo mahay miaina amin’ny kely eo am-pelatanana toy izay miliba mindram-bola lava amin’ny any ivelany, ka hampibaby trosa amin’ny taranaka faramandimby, hoy Rajomalahy Samuel namarana ny fanehoan-keviny.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT