Politique

Rajoelina tsy kandida Tsy matoky ny Magro Antsirabe


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

Nafanafana ny fanehoan-kevitra tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe omaly alarobia 16 janoary tolakandro nifamotoanan’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana ao Antsirabe.

 Nambaran’ireo avy ao amin’ny hetsiky ny tanora izay nosoloan’i Haja tena fa tsy mahataitra akory iny fanambarana nataon-dRajoelina iny satria tsy mbola midika fa fandresena ho an’ny mpitolona iny satria tsy mbola tratra ny tanjona dia ny fodian’i Dada eto Madagasikara. Mbola nanamafy izany Atoa Rabemizana Solo ka nilaza fa tsy afa-miala amin’ny sehetra iraisam-pirenena izany Rajoelina na tiany na tsy tiany ka tsy maintsy nanao iny fanambarana iny satria matahotra mafy ny hifaninana amin’ny filoha Ravalomanana ny tenany, izay efa miaiky fa resy avy hatrany raha ka samy milatsaka.

Nolazain’ity mpitarika ity fa tsy mbola azo antoka iny fanambarana nataony iny satria efa hiaraha-mahalala fa olona mpivadibadika Rajoelina ka mbola mety hivadihany iny, toy ny efa nataony tany Maputo. Hatreto dia nohamafisiny fa tsy mbola feno ny fepetra hisian’ny fifidianana tena ho madio sy hoeken’ny rehetra, kanefa ho azy ireo dia ny tondrozotra ihany no tokony hibaiko izany sy takiana hatrany ny fampiharana azy manontolo satria tsy mitombona ny filazany tao amin’ny RFI fa vita ny fifidianana vao mody ny filoha Ravalomanana. Notsiahivin’ny Dr Jaona fa tsy afaka milatsaka noho ny fifanarahana sy ny lalàna iraisam-pirenena i Andry Rajoelina, noho izy nanongam-panjakana. Ny mahagaga anefa hoy ity mpitarika ity dia saika tsy ampiharina io fifanarahana io aty Afrika ka mbola mampanahy ny zavatra mety hitranga, dia ny mety hivadihany indray aoriana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT