Politique

Rajoelina teny Fiadanana Niditra an-dakazerina ny politika


  • Talata 21 Jona 2011


 “Manana ny hasiny, ny hajany, ka tsy azo ambanimbaniana, na tevatevaina ny foloalindahy”, hoy i Andry Rajoelina omaly alatsinainy 20 jona, raha tonga nanolotra fiara tsy mataho-dalana maromaro ho an’ny foloalindahy tao amin’ny RTS Fiadanana. Marina tokoa ny voalazany, saingy izy tenany ihany, izay lazaina fa filoha faratampon’ny foloalindahy, araka ny nanononan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana azy nandritra ilay lanonam-pianianana tao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 21 martsa 2009, no mitondra resaka politika any an-dakazerina. Fantatr’i Andry Rajoelina fa toerana saro-pady ny Toby miaramila, tsy tokony hiresahana politika fa dia tsy nahoany izany fa tao amin’ity Toby Kolonely Alphonse Rakotonirainy ity mihitsy izy no miresaka ankarihary momba ny sori-dalana, fifidianana, CENI, fanitarana andrim-panjakana, fankatoavana iraisam-pirenena, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety.

Azony natao tsara ny nanome fotoana ny mpanao gazety amina toerana hafa hiresahana politika, toy ny fanaony ao Ambohitsorohitra, fa tsy tokony hafangaro amin’ny tanànan’ny foloalindahy. Miresaka fanomezan-kasina ny foloalindahy izy, dia tokony hatombony aminy aloha hotahafin’ny hafa, satria miainga any ambony ny ohatra. Manoloana iny zava-nitranga omaly iny, dia mba te handre ihany ny tena, hoe inona no hambaran’ireo komandy miaramila, toy ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny etamazaoron’ny tafika, sy ny jeneraly Rabarisoa Ranto, filohan’ny Filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena, izay niaro tena mafy fa tsy miditra raharaha politika ny miaramila tamin’ireny fanambarana navoakan’izy ireo misakana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ho setrin’ny fanapahan-kevitry ny SADC tatsy Sandton ny 12 jona 2011 ireny.

Ankoatra izay dia manaitra ny filazan’i Andry Rajoelina fa nividy ireto fiara efa niasa tany amin’ny Frantsay ireo hanohanana ny tafika, zandary ary polisy. Tsy ireo no tsy manana fiara, fa miasa amin’ny tokony ho izy ve izy ireny ? Raha tonga, ahoana ny solika sy fikojana, misy tetibola ho amin’izany ve ? Mazava tsara rahateo koa ny voarakitry ny fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany ny 06 aprily 2011, folo andro taorian’ny nananangana ny governemanta Vital. Maromaro ny fepetra noraisina tamin’io ho fitsitsiana ny volam-panjakana, ka anisany ny fandrarana ny fividianana fiara. Roa volana aty aoriana, gaga ny rehetra fa fiara 50 be izao no nambara fa novidian’ny fanjakana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT