Politique

Rajoelina tany Fianarantsoa Nosiahin’ny olona


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010


Ny sabotsy lasa teo dia nidododo tany Fianarantsoa ny filohan’ny FAT, ao anatin’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Raha jerena amin’ireo fahitalavitra mitatitra ny dian’ny lehiben’ny FAT mitety faritra dia toa sodoka hoe vahoaka be mandrakariva no avoaka eo. Marina tokoa fa misy ny olona, saingy tsy hihaino izay kabariny no tanjon’izy ireny fa ny hijery fampisehoana. Miara-dia amin’ingahy Rajoelina hatrany mantsy ireo mpanakanto fanta-daza maromaro ka izany no manintona ny olona. Ankoatra izay liana koa ireo olona, mba te hijery sy mandalo fotsiny ihany. Fa anisan’ny zavatra mahatsikaiky kanefa tsy mba avoakan’ireny fahitalavitra mitatitra ny diany ireny ny siotsiokan’ireo vahoaka rehefa mandalo ny kortezy. Tsy vao izao moa io fa saika isaky ny faritra nalehany, eny hatreto an-drenivohitra aza dia misy izay tranga izay. Singanina amin’ireny ny tamin’ny sabotsy teo, raha nandeha tamin’iny faritra misy ny asa vaventy eny Ambalakisoa ny kortezy dia nihogahoga sy nisitsioka ny olona. Toa nodiana tsy nohenoina anefa izany fa dia ny kiririokan’ny mpisava lalana no nohamafisina. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT