Politique

Rajoelina tany Afrika Mazava izao fa tsy nahomby ilay “lobbying”


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Ny fanapahan-kevitry ny SADC nivoaka taorian’ny fivorian’ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana nivory tatsy Sandton Afrika Atsimo ny 11 sy 12 jona 2011 andaniny, ny fihetsika sy fanehoan-kevitr’i Andry Rajoelina sy ny Fahefana avon’ny tetezamita tarihiny mikasika azy iny, ankilany dia maneho mazava fa tsy nahomby araka ny laza masaka natao teto an-toerana ny fandresen-dahatra nataon’i Andry Rajoelina ireo filoham-pirenena sy tompon’andraiki-panjakana tamin’ireo firenena nalehany tany afrika tany. Nihazo an’i Zambia, Mozambika, Namibia ary Angola izy teo anelanelan’ny volana aprily sy mey 2011 ary tamin’ny teny feno fanantenana no nilazan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita isaky ny tafaverina teto izy fa mazava amin’ireo mpitondra afrikanina, eo anivon’ny SADC, izay nihaonany ankehitriny ny tena zava-misy marina eto Madagasikara fa lainga avokoa ny resaka naelin’ny sasany taloha. Nitarika delegasiona, nifarimbona tamin’i Andry Rajoelina nanao io fandresen-dahatra io koa ny jeneraly Camille Vital, fa dia ireny no vokany. Tsy nahomby !

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT