Politique

Rajoelina sy Ravalomanana Hampihaonina mivantana indray


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Ankoatra ny fifampidinihana eo amin’ny mpanao politika sy ny fanelanelanan’ny fiarahamonim-pirenena, dia misy hevi-baovao manomboka mipoitra indray amin’izao fotoana ho famahana ny krizy.

Fantatra mantsy fa misy vondron’olona, eto an-toerana mieritreritra ny hampihaona an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay fototra niaingan’ny krizy. Efa ela tokoa no resy lahatra ny maro fa ny fihaonana sy fifampidinihana maharitra eo amin’ny roa tonta no tena ho dingana lehibe amin’ny famahana ny krizy. Hatrizay tokoa mantsy dia fihaonana maimaika tsy nahitam-bokany firy loatra no nisy teo amin’izy mianaka, fa dia tahaka ny voasaron’ilay fifampidinihana teo amin’ny Ankolafy efatra hatrany ny resaka. Hanova zavatra maro anefa ny fifanazavana mivantana eo amin’ny filohan’ny Repoblika teo aloha sy ny filohan’ny FAT. Mbola mijanona ho eritreritra fotsiny aloha hatreto io fampihaonana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina io, fa tsy tetikasa tena matotra. Na izany aza anefa dia re fa miketrika mafy ny mety ho fanatanterahana izany, ireto vondron’olona, mahatsapa fa tsy hamaha ny krizy velively ireo karazana dinika natao hatramin’izao, raha tsy mifanazava tsara ireo mpifanandrina fototra, nihavian’ny krizy. Ny olana lehibe anefa, dia ny hoe : hanaiky ny fampihaonana azy ve ny roa tonta, ary raha raikitra ny fihaonana dia aiza no hanatanterahana azy ? Ny eto Madagasikara aloha, dia sarotsarotra ihany, satria mbola maro ny sakana tsy hahafahan’ny filoha teo aloha mody an-tanindrazana. Ny filohan’ny FAT kosa etsy andaniny efa nanambara ombieny ombieny fa tsy mazoto loatra amin’ny fivoriana atao any ivelany ny tenany. Na izany aza dia samy efa nilaza tamin’ny fanehoan-keviny ny roa tonta fa vonona hatrany ny hikaroka ny vahaolana mahomby hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao. Ka ho hita eo ihany ny tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT