Na dia nahay nampiasa sokela aok’izany nandravahana ny lahateniny aza ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin, ary na dia tsara firafitra sy nirindra tokoa aza ny kabarin’ny praiminisitra Omer Beriziky, dia ny kabary nifamalian’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no tena nitana ny sain’nny maro omaly, teny Iavoloha.
Tsy nihafihafy i Mamy Rakotoarivelo fa dia namatrapatratra. Naveriny indray fa nosihosena ny tondrozotra, tsy mbola navoaka ny gadra politika, tsy nosokafana ireo haino aman-jery nakatona ary tsy mbola tafody ny sesitany politika. Tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto raha tsy voahaja sy ampiharina ireo, hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita. Tena goragora ny fitantanana ny firenena, hoy izy. Nanao antso avo tamin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany mba hijery izay tena laharampahamehana tokoa hanampiana ny vahoaka efa reraky ny krizy fa tsy fanorenana fotodrafitrasa goavana no maha maika. Ny vidim-piainana miakatra, hoy izy kanefa ny fahefa-mividy isan-tokantrano mihena mihena ihany.
Nampatsiahiviny indray fa ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina no nahatapaka ny AGOA ka nahavery asa ana hetsiny, ny tsy fanajana ny zon’olombelona no tsy mbola mampiverina izany ka tsy tokony hailika any amin’ny hafa indray izany, hoy izy. Nidera ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana ny filohan’ny Kongresy kanefa nametra-panontaniana koa hoe : nifarana ny “Operation Tandroka, ka ahoana ny momba an-dRemenabila ilay lehiben’ny dahalo ? Aiza no misy azy ? Maty ve izy sa velona ? Nahoana no tsy mbola voasambotra izy ? Tonga dia namaly bontana izay nambaran’ny filohan’ny Kongresy ny filohan’ny tetezamita raha nikabary ka nilaza fa tsy maintsy mitohy ny asa fanorenana fotodrafitrasa goavana. Hisy lalambe migodana vaovao mampitohy an’Antananarivo Renivohitra sy Ivato, hatao atsy ho atsy. Hovitaina ao anatin’ny enim-bolana raha ny filazany.
Nanamarin-tena ka nanazava ny mampitombina ny fanorenana ireo hopitaly sy kianja manara-penitra ary Coliséum i Andry Rajoelina. Nahitsy fitenenana koa izy fa tsy olona iray na roa, na vondron’olona na firenena avy any ivelany no handidy sy hanapaka ny tokony hitondrana an’i Madagasikara, sy hibaiko na hanendry izay olona tokony hitondra eto. Hipoitra avokoa ato ho ato ny harena be eto Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina ary mino sy matoky aho fa tsy mila an’izany fanampiana avy any ivelany izany intsony isika. Nahazo ny hafatra tamin’i Andry Rajoelina koa ireo rehetra niteny fa misy tsy fanajana ny zon’olombelona eto. “Fa zon’olombeloma manao ahoana moa ity resahana lava ity ?”, hoy i izy.
Mazava be koa izao ny resaka fa tsy maintsy ovaina ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny tetikasa Ambatovy sy ny QMM, raha halalinina ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita omaly, ary tsy hamelany raha tsy mampitombo ny vola omeny ny fanjakana ireo tetika goavam-be roa eto amintsika ireo, na dia misy aza ny tsindry atao aminy mba tsy hanao izany, araka ny teniny ihany. Nametra-panontaniana koa i Andry Rajoelina hoe : sao dia tokony halefa miaraka amin’ny mpitandro filaminana hisambotra an-dRemenabila ary ireo olona be fanakianana ny “Opération Tandroka” e ? Valin-kafatra tamin’ilay fanamarihan’i Mamy Rakotoarivelo avy hatrany io. Politika tanteraka ny kabary teny Iavoloha omaly na dia teo aza ilay toromariky ny fiadidiana ny tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.