Politique

Rajoelina sy Raharizatovo Mangatsiaka ny fifandraisana


  • Alakamisy 01 Aprily 2010

Miha miseho masoandro isan’andro ny fifanipahan-kevitra sy tsy firaisan-tsaina intsony eo amin’ny samy manampahefana eo anivon’ny HAT amin’izao fotoana.

Nanaporofo izany indray ny zava-nitranga tany Moramanga ny 29 martsa lasa teo. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’io daty manan-tantara ho an’ny tolom-panafahana ny firenena io mantsy, ny vatofehizoro ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa amin’ny fananganana ilay tranom-bakoka, natao ho vavolombelon’ny tolon’ny tia tanindrazana, 63 taona lasa izay. Ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina no nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy. Tsy misy mahadiso izany mihitsy, saingy ny tsikaritry ny nanatri-maso dia natao ankilabao fa tsy nampandraisina anjara mivantana tamin’ny lanonana ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka Gilbert Raharizatovo, izay tompon’andraikitra voakasika voalohany amin’izany. Tsy azo inoana hoe fanadinoana na kisendrasendra izany, fa efa karazana fanilihana amin’ny fomba ankolaka. Ity minisitra ity koa moa tato ho ato izay dia nandany andro amin’ny fampahafantarana ny fikambanana tarihany tany amin’ny faritra maro ka tsy vitsy ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina koa no tsy faly tamin’izany. Hita ho niha marefo ny fifandraisana teo amin’izy mirahalahy ireto, tato anatin’ny fito volana teo ho eo izay.

Raha hiverenana kely ny tantara, anisan’ireo olona tena nanohana tsy misy fepetra an’i Andry Rajoelina i Gilbert Raharizatovo, herintaona mahery lasa izay. Izy rahateo moa mpanao gazety ary mpikirakira ny vaovao politika, ka dia namatrapatratra mihitsy tamin’ny fanatosahana hevitra sy fanakianana ny politikam-pitantanan’ny fitondrana Ravalomanana. Raha ny vaovao voaray, dia toa hoe nanomboka teo amin’ny fanombohan’ny fihaonana tany Maputo no nisian’ny fifanarahan-kevitra voalohany teo amin’i Andry Rajoelina sy Gilbert Raharizatovo. Ity farany nanitrikitrika fa tsy ilaina ny fandehanana any Maputo hiresaka amin’ny ankolafy hafa izany, satria tolom-bahoaka no nisy teto, i Andry Rajoelina no nitarika izany dia tokony ho niroso amin’ny fanovana sy ny asa fanarenana avy hatrany fa tsy mandany andro hifanasa vangy amin’ny filoha teo aloha, efa naloan’ny vahoaka. Nihazo an’i Maputo ihany anefa ny i Andry Rajoelina, ary tsy vitan’izay fa mbola nanaiky an-tsitrapo nanao sonia ilay fifanarahana, niaraka tamin’ireo filoha teo aloha, telo mirahalahy. Anisan’ireo mpiara-miasa amin’i Andry Rajoelina nisafidy ny fitantanana samirery ny tetezamita i Gilbert Raharizatovo, ary nambarany matetika, fa fomban-javatra ny filatsahana sazy, fa manaiky tsimoramora eo ihany ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fanaovana ny fifidianana fotsiny no mila hafainganina. Ohatra iray fotsiny ity nambara teto ity, fa mbola maro ny ady mangatsiaka sy ady an-trano ao anatin’ny HAT ao. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia efa fambara ny amin’ny fahalemen’ny fitondrana tetezamita sy ny firodanany tsimoramora izany ary porofo iray indray, fa tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy eto, matoa tsy mifampatoky sy mifampiahiahy ny samy manampahefana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT