Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina notronin’ny filohan’ny delegasionan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Antaninarenina manamboatra tohatohabato.
Ny praiminisitra lefitra miadidy ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo, indray tetsy Anosy mikarakara lanonana hafa, fanolorana kamio fanariana fako ho an’ny Kaominina miisa enina, dia Ambatondrazaka, Antsohihy, Miarinarivo, Ivato Firaisana ary Antsirabe. Azon’ny Praiminisitra lefitra natao tsara ny nandamina ny fandaharam-potoanany, nanotrona ny filohan’ny tetezamita tamin’ilay lanonana fanombohana asa teny Antaninarenina, avy eo izy nanatanteraka ny azy manokana na koa nampihemotra ny azy amin’ny andro hafa mihitsy, saingy tsy izay no niseho fa nanjary samy olon-ko ho azy. Ireo mpandinika ny raharaha politika dia mihevitra fa ao raha matoa mitranga ny toy izany.
Mahatsiaro ho takona angamba ny praiminisitra lefitra raha milahatra amin’ny PDS tamin’ity lanonana indray mahakasika ny tanàna ity, ka naleony tsy nipoitra. Ny PDS Razafindravahy rahateo omaly, hita ho akaiky kokoa an’i Andry Rajoelina ary mifandray tadin-dokanga tsara raha ny tombana ivelany sy tarafina tamin’ireo lahateny nataon’izy ireo omaly. Ny filohan’ny tetezamita koa tetsy ankilany nilaza fa dia hatolotra ny tanàna sy ny vahoakan’Antananarivo, toy ny efa nataony teny amin’ny Coliséum sy nanamboarana ny Lapan’ny tanàna ny asa. Mikasika ireo fiarabe nozaraina teny Anosy dia samy hanana iray avy ireo Kaominina miisa dimy raha roa kosa ho an’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, satria avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita ny iray, raha avy amin’ny VPDAT kosa ny faharoa.
Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.