Raha Ingahy Rajoelina sy ny Praiminisitra Beriziky aloha dia samy tsy manam-piniavana ny hamaha ny krizy izany, hoy Ravelonanosy Mamy Tiana, filohan’ny vondrona parlemantera ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.
I Andry Rajoelina dia manararaotra ny fisian’ny fiaraha-mitantana hahazoany mamerina indray ny manjaka tokana. Raha sanatria ao anatin’izany, hoy ny CT Mamy Tiana, misy ny fialana amin’ny tondrozotra dia vao hilentika lalindalina kokoa anaty krizy isika. Ny dikany dia hiverina indray ny fanapenam-bava sy fisambotsamboran’olona ataon’ny FAT. Raha ny Praminisitra Omer Beriziky indray dia te hanao zavatra fa tsy manam-pahefana. Tena sinema fotsiny tsotra izao no azo ilazana an’ireny fampiantsoany ny Talen’ny Radio Fahazavana ireny sy ny fampanantenana nataony hisokafan’io onjam-peo io.
Mandrak’ity ny androany, efa ho tapitra sahady ny herinandro voalohan’ny taona 2013, tsy mbola hita ihany izay eo. Tsiahiviko fa matoa nanaiky hiditra anatin’ireny rafi-panjakana samihafa ireny ny Ankolafy Ravalomanana, hoy ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana, dia ny hitondrana any anatiny any ny fomba fanao ao amin’ny Magro amin’ny sehatra rehetra itenenana, saingy atao amin’ny endrika am-panajana tanteraka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.