Politique

Rajoelina ho any Mahajanga Hisantatra ny fandaharan’ny VIVA TV ?


  • Zoma 23 Jolay 2010

Ho any Mahajanga i Andry Rajoelina. Izay indray izao no ankalazaina fa efa mitambesatra loatra amin’ny mpitondra ny resaka “bois de rose”.

Amin’ity faran’ny herinandro ity raha tsy misy indray ny fiovana amin’ny ora farany. Fitsidiham-paritra izy ity, ary hararaotina hanaovana fandaharana manokana amin’ny haino amanjery, miainga mivantana avy any an-toerana. Inona no zava-baovao handrasana aminy? Tsy vao izao mantsy no nanaovany fandaharana manokana fa arakaraka ny nanaovany izany no toa vao mainka aza mampikatso ny firenena sy ny famahana ny krizy, ka mahafadiranovana ny Malagasy. Raha raikitra anefa io, dia sambany no hanatanterahana izany any amin’ny faritra. Amin’ny lafiny iray dia hanamarinana ny fivoahana ny Lapa indray rehefa nihitsoka tsy nahahetsika tao efa ho amam-bolana izao. Fa ny zavatra tsy azo afenina koa dia efa ho roa na telo volana teo izay no nanokatra ny masoivohony ao Mahajanga ny haino aman-jery Viva (radio sy TV), izay fananan’i Andry Rajoelina taorian’ny nividianany (?) ny radio sy TV Ravinala, an-dRatsirahonana Norbert Lala. Mety tsy ho kisendrasendra, araka izany, no hanaovan’i Andry Rajoelina ity fandaharana miainga mivantana avy any Mahajanga ity, fa mety ho fisantarana ny fandaharan’ny Viva TV ihany koa raha ny fahitana azy, satria dia anatin’ny fametrahana ny fandaharany io fahitalavitra io ankehitriny. Mety ho izany koa no nisian’ny fifantenana olona hiasa ao faramparany teo. I Nina, mpanakanto vavy anisan’ny mivoy ny mozikan’ny tany mafana, indrindra ny gadona “zouk”, no nanankinan’i Andry Rajoelina ny fitantanana ny Viva any Mahajanga. Izy koa no mpandrindram-paritry ny TGV any an-toerana. Araka ny fantatra dia ny fifamatorana sy fifandraisana akaiky misy eo amin’ny ray aman-drenin’ny roa tonta no mahatonga io.

 Efatra amin’ny Viva TV (TVM, M3TV, RTA) izany izao ny fahitalavitra azo jerena ao Mahajanga, taorian’ny nanapotehana ny MBS (radio-TV), fananan’i Marc Ravalomanana. Raha nanao fanambarana ofisialy i Andry Rajoelina fa tsy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena dia betsaka no tsy mino. Andaniny ny fivadibadihan-keviny lava, fa akilany dia tsy tongatonga ho azy koa ny fanitarana ny ambaindain’ny haino amanjeriny toy izao, fa mety ho fiomanana sy fanomanana ny fifidianana ihany koa. Endriky ny fifaninanana ary manome safidy ny mpihaino sy ny mpijery ny fisiana radio hohenoina sy fahitalavitra hojerena. Ny mahatsikaiky dia nenjehina mafy tamin’izany i Marc Ravalomanana, tamin’ny fananan’ny MBS masoivoho tany amin’ny distrika maromaro teto Madagasikara. Ankehitriny anefa dia miroso tsimoramora na tsy ankalazaina firy aza, i Andry Rajoelina. Araka ny fantatra dia fitaovana faran’izay raitra no ampiasaina amin’ireto masoivohon’ny Viva any Mahajanga ireto. Re ihany anefa fa misy finiavana any ho any hanokafana ka hampandehanana indray ny MBS, izay nampiasa olona roanjato mahery, fa misy manampahefana FAT mitsivalana tsotra izao ny hankatoavana izany. Dia ho hita eo ihany ny tohiny.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT