Politique

Rajemison Rakotomaharo Mitaky filaminana sy fitoniana alohan’ny fifidianana


  • Alatsinainy 07 Janoary 2013

Hotanterahina afaka efa-bolana, 08 mey 2013, ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4.

 Mazava ny voalazan’ny tondrozotra fa dia mila fitoniana ary tokony ho vita koa ny fampihavanana ny samy Malagasy, indrindra ireo mpanao politika mifandrirotra sy mifanolana teto, ankoatra ny fametrahana ireo andrimpanjakana samihafa. Hatramin’izao anefa tsy tafatsangana ny andrim-panjakana natao hiandraikitra izay fampihavanana izay, araka ny voatondron’ny andininy faha-28 ao amin’ny tondrozotra dia ny FFM (Filankevitry ny fampihavanana Malagasy). Na ho tafatsangana kosa aza dia handringa satria ny FFKM izay tokony handrafitra ny FFM dia mihalangalana tsy miditra. Be, araka izany, ny ahiahy. Atoa Rajemison Rakotomaharo manokana dia nampahatsiahy fa mitaky filaminana sy fitoniana mialoha ny fanatanterahana izany fifidianana kasaina hatao manomboka amin’ny volana mey 2013 izao izany.

Nanao antso avo moa ny tenany sy amin’ny anaran’ny antoko MAMAFISOA, tarihiny, “mitodika amin’ireo ankolafin-kery samihafa, mba hampandeferana ny hambom-po sy hamerenana ny Soatoavina maha Malagasy antsika ka homen-danja manokana amin’izany ny fihavanana sy ny firaisankina, antoka iray hampandrosoana an’i Madagasikara”. Tao anatin’ny taratasy fiarahabana ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy sy ny mpikambana MAMAFISOA nahatratra ny Asaramanitra sy tonon-taona vaovao no nanaovany antso, hitodihana ny lasa hiatrehana ny ho avy. “Tsy tokony havela handalo fotsiny ny fotoan-tsarotra izay lalovan’ity firenena malalantsika ity, ary tokony tsy hiraviravy tanana isika fa andeha atao toy ny vilany mitongilana ka izay tsy mety harenina ary handray ny andraikitra tandrify azy ny Olom-pirenena tsirairay mba hanatsarana ny ampitso hitsinjovana ireo taranaka faramandimby”, hoy Atoa Rajemison Rakotomaharo.

 
Nangonin’i Britto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT